- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilÀ lireAmbanidia : Taxi nirehitra, may kila forehitra

Ambanidia : Taxi nirehitra, may kila forehitra

Tsy nisy noraisina intsony ilay taxi nirehitra

Karaokam-by sy lavenona sisa no navelan’ny afo tamin’ity fiarakaretsaka iray, nirehitra tetsy Ambanidia omaly hariva. Soa ihany, tsy nisy olona tao anatiny, tsy nisy araka izany ny naratra na ny aina nafoy, saingy ny fahasimban-javatra no tena goavana.

Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora hariva mahery kely teo no nahazo antso teo anivon’ny sampana mpamonjy voina tetsy Tsaralalàna, mahakasika ity firehetana fiara ity. Folo minitra taorian’izay no tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina ary minitra vitsy monja ihany koa dia efa voafehy ny afo. Raha ny fanazavana azo dia fiara taxi, mitondra marika Peugeot 205 izany nirehitra izany. Efa niantsona teo amin’io toerana io, tsy lavitry ny fiangonana katôlika, manakaiky ny rond point tetsy Ambanidia izy tamin’io fotoana io. Tsy fantatra mazava, hoy ny angom-baovao azo izay tena nahavoa sy nahatonga izany firehetana izany. Azo eritreretina ihany anefa fa mety ho vokatry ny tselatr’afo nahazo ny fitoeran-tsolika na ny fantsona nitondra solika no nitarika ny firehetana. Hiaraha-mahalala rahateo fa ny ankabeazan’ireo fiarakaretsaka eto amintsika dia saika efa nahazo taona avokoa ary mazàna, ireo mpamily tsy mampiasa intsony ny fitoeran-tsolikan’ny fiara (reservoir) fa manao izany amin’ny alalan’ny tavoahangy na ny bidon, entina hitsitsiana ny solika.

Tamin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana azo avy eo anivon’ny sampana mpamonjy voina dia efa tsy nisy olona intsony tao anatiny, eny fa na ny mpamily aza tsy tazanay teny an-toerana ihany koa. Niteraka fitohanana be teny an-toerana, ankoatry ny efa mahazatra amin’iny faritra iny moa ity loza niseho teny Ambanidia ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana ihany koa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, niezaka nandamina ny fifamoivoizana sy nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana. Tsara marihana fa ankoatry ny fiara izay may kila forehitra moa dia nisy fitaratry ny fiangonana ihany koa no vaky, vokatry ny hafanana be loatra naterak’izay loza izay. « Mila fitandremana hatrany ny afo ary tokony ho mailo foana ny isam-batan’olona, hoy ny fanentanana avy eo anivon’ny mpamonjy voina. Efa ho avy indray mantsy izao ny andro maina sy ny hafanana, izay anisan’ny mampahazo aina tanteraka ny afo »

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici