- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-phone : Voaroba ny vola sy « crédit » rehefa voatsatoka antsy

Taxi-phone : Voaroba ny vola sy « crédit » rehefa voatsatoka antsy

Telo lahy nitondra zava-maranitra no nanindrona antsy avy hatrany ilay vehivavy nitazona « taxi-phone » teo Androva-Mahajanga. Very tao anatin’izany ny vola mitentina iray tapitrisa ariary sy ny karatra misy fahana marobe izay namidy. Mitentina 600.000 ariary ny vidin’izany, raha araka ny fanamarihan’ilay ramatoa. Soa fa mba nisy finday tsy azon’ireo olon-dratsy. Izany no nahafahan’ilay ramatoa, izay efa naratra voatsatok’antsy, nampandre ny zandary. Voaatsony tsara ny « ligne verte » 119 izay nidina an-tsehatra avy hatrany rehefa nahazo ny antso fanairana.  Nifanena an-dàlana tamin’ny zandary ireo mpanao ratsy . Raikitra ny fifanenjehana ary voasambotra ny tovolahy iray 19 taona raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa hafa izay mbola ifampitadiavan’ny zandary hatramin’ny omaly. Mbola maro ny olona tsy manana fahazarana ny miantso avy hatrany ireny « ligne verte » an’ny mpitandro ny filaminana ireny rehefa mahita zavatra na hiharan’ny tsy fandriam-pahalemana. Sady tsy andoavam-bola no miantefa avy hatrany any amin’ny sampana afaka mandrindra ny olon’ny mpitandro ny filaminana izay efa mandehandeha eny amin’ny toerana maro, raha ny tokony ho izy ny firindran’izany. Mbola mila ezaka anefa ny eto amintsika satria indraindray dia maro koa ny mitaraina, ho an’ireo izay mahalala, fa elabe na tsy misy mandray mihitsy aza ny « ligne verte ». Ny roa tonta mihitsy izany no mila samy miezaka satria manamora ny fifandraisan’ny olon-tsotra amin’ny mpitandro ny filaminana (matetika hanaovana atrikasa maro ny hiverenan’ny fifampitokisana eo amin’ireo sehatra roa ireo), ary ny fampiasana ny ireny zotram-pifandraisana tsy andoavam-bola ireny dia isan’ny tokony hamafisina raha tiana ho tonga amin’izany tanjona izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici