
Ny alahady teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana izay nitarika fahafatesan’olona. Polisy monisipaly izay nandeha kodiaran-droa ary nandalo teo Andohatapenaka no nofaohin’ny taxi-be iray ary namoy ny ainy. Koa satria alim-be no nitranga ny loza dia nanararaotra ny nitsoaka tao anatin’ny haizina ireo nahavanon-doza. Navelan’izy ireo teo fotsiny ny olona voadona ary notohizan’izy ireo ny làlana. Omaly dia nanao fanentanana ny fiadidian’ny kaominina ho an’ireo izay manam-baovao mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity mba hiantso ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (0340551724), na ny centre opérationnel eo anivon’ny CUA (0344998764), na koa ny chef de corps CUA (0344212481). Io antsoavo io dia midika fa tsy hamelan’izy ireo ho vita mora foana ity fahafatesan’ny mpiara-miasa aminy ity.
D.R
Fa raha olon-tsotra ve izany dia tsy nanaovana fanentanana fikarohana toy izao?