- Publicité -
mercredi, avril 30, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Taxibe karohina fa nahafaty polisy monisipaly

Andohatapenaka : Taxibe karohina fa nahafaty polisy monisipaly

Ny alahady teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana izay nitarika fahafatesan’olona. Polisy monisipaly izay nandeha kodiaran-droa ary nandalo teo Andohatapenaka no nofaohin’ny taxi-be iray ary namoy ny ainy. Koa satria alim-be no nitranga ny loza dia nanararaotra ny nitsoaka tao anatin’ny haizina ireo nahavanon-doza. Navelan’izy ireo teo fotsiny ny olona voadona ary notohizan’izy ireo ny làlana. Omaly dia nanao fanentanana ny fiadidian’ny kaominina ho an’ireo izay manam-baovao mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity mba hiantso ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (0340551724), na ny centre opérationnel eo anivon’ny CUA (0344998764), na koa ny chef de corps CUA (0344212481). Io antsoavo io dia midika fa tsy hamelan’izy ireo ho vita mora foana ity fahafatesan’ny mpiara-miasa aminy ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici