- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversTaxibe tapaka « frein » : Olona iray maty, nosamborina ny mpamily

Taxibe tapaka « frein » : Olona iray maty, nosamborina ny mpamily

Tsy tana intsony ny ain’ilay lehilahy nitondra môtô, voafaokan’ilay taxibe zotra 144, nilaozan’ny « frein », tetsy Avaradoha omaly. Niezaka nanao ny famonjena rehetra ireo mpitsabo saingy efa be loatra ny rà very taminy. Omaly tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina tany ho any tokoa dia nitrangana loza mahatsiravina indray tamin’iny fidinanan’Avaradoha iny, tsy lavitra akory ilay toerana nisian’ilay disadisa teo amin’ireo miaramila sy olon-tsotra teny an-toerana iny. Fiara mpitatitra olona « Mazda », avy ao amin’ny zotra 144 mampitohy an’Ambohimahitsy sy Analakely no nanana olana ara-teknika teo amin’ny hisatra, raha iny handeha hidina avy any Ampasampito, hihazo an’Avaradoha iny. Tsy voatanan’ny mpamily intsony ilay fiara izay mbola nisy mpandeha tao anatiny. Nikivalavala tamin’iny lalana iny ary nifaoka ireo rehetra teo alohany : môtô anankiroa, fiara tsy mataho-dalana iray ary « Sprinter » iray, izay samy simba avokoa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. « Tsy dia nisy fitohanana tamin’io fotoana io tany ambony tany, raha tsy teo amin’ilay fiolahana hiditra ho any Betongolo iny. Ireo fiara sy môtô voafaoka ireo no lasa tohana ho an’ilay taxibe tapaka frein, izay vao tafajanona ity farany », hoy ny fitantarana mpivarotra iray, nanatri-maso ny zava-nisy teny an-toerana. Nisy iray tamin’ireo môtô, « scooter » no notaritaritin’ity fiara tsy voatana ity, tamina metatra maromaro. « Soa ihany, nanana « reflexe » ny hidaboka avy hatrany aho fa tsy handefa ny tanako mialoha, raha tsy izany dia efa tsy teto intsony hitantara » hoy ny sento tokan’ity lehilahy efa lehibebe ihany, nitondra ilay kodiaran-droa isan’ireo rotidrotika nofahon’ilay taxibe. Mpitondra môtô hafa kosa no indrisy fa tsy nanana izay vintana izay, ary namoy ny ainy. « Nitondra môtô misy vitesse lehibe izy io. Ka nony voadona izy dia nipitika, voahitsaka. Noezahinay nosokirina tao anaty fiara ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana» hoy hatrany ny fitantaran’ilay nanatri-maso. Tazana teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana, nahitàna ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo, niaraka tamin’ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Antananarivo renivohitra. Ny pôlisy no misahana ny fanadihadiana ary fantatra araka ny loharanom-baovao avy eny amin’ireto farany fa efa notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ilay mpamily. Ilay fiara kosa nampidirina am-balam-pamonjana. Niteraka fitohanana izay tsy izy teny an-toerana ity tranga ity ary niverina tamin’ny laonina ihany izany, fotoana fohy taty aoriana, noho ny ezak’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici