
Niakatra tamin’ny andrin-jiro izay mitondra herinaratra matanjaka. Niraikitra teny ambony izy ary nitsipatsipaka rehefa nahakasika ny tariby. Nahita izany ireo namany izay nanara-maso tety ambany dia niakatra haingana saingy izay iray tonga dia natsipin’ny herinaratra avokoa ary nianjera tamin’ny tany no sady naratra mafy. Teo ihany dia efa tsy nihetsika intsony ilay iray niraikitra teo amin’ny andrin-jiro ary na tafidina tety ambany aza rehefa notapahina ny herinaratra dia efa tsy nisy azo natao intsony. Teo imason’olona no nitranga ity fahafatesana teknisiana izay maty amperin’asa ity. Ny naratra kosa dia mba avotra soa aman-tsara rehefa notaterina tany amin’ny toeram-pitsaboana faran’izay haingana. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : angaha mbola nisy nandefa ihany ny herinaratra, sady herinaratra mahery vaika kanefa misy manamboatra eny ambony andrin-jiro? Ahiana ho misy lamina tsy tomombana ary niteraka fahafatesana ity tranga ity.
D.R