Nanao taingin-telo tamin’ny kodiaran-droa izy telo mianaka no iny nisy kamiao izay nifatratra tany amin’izy ireo. Teo Soanierana ity lozam-pifamoivoizana ity no nitranga omaly tolakandro. Nandeha tamin’ny làlan-tokana (sens unique) ilay kamiao ary tsy nijanona na tsy tafajanona na dia efa hita aza ilay moto. Mafy ny fifandonana ary hita amin’ilay fiara izany : potika ny lohany ary vaky ny fitaratra. Nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana izy telo mianaka. Ilay rangahy no tena voa mafy raha ny fahitan’ny olona azy. Nentina tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana kosa ny mpamily ilay fiara ary nanokafana fanadihadiana. Tsy tapaka lozam-pifamoivoizana mihitsy eto an-drenivohitra na dia faran’izay mafy aza ny tohamboivoy ka zara raha afaka mihetsika ny mpampiasa làlana. Hita ho sorena ny olona amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, indrindra amin’izao fotoana fanamboarana faobe izao, hany ka indraindray tsy mahafehy tena intsony ny mpampiasa làlana. Ny lozam-pifamoivoizana, raha jerena ny statistika, dia mamono olona betsaka noho ny aretina. Angamba mba ilaina raha misy ny fanentanana ny olona ny mba handeha an-tongotra bebe kokoa. Izany anefa dia mila ialohavan’ny fanatsaràna ny fotodrafitr’asa toa ny làlan’ny mpandeha an-tongotra sy ny fitandroana ny filaminana. Efa sempotry ny fiara loatra eto an-drenivohitra izay tia fiara loatra. Rehefa dinihina tokoa dia olona iray na roa hatrany matetika no ao anatin’ny fiara iray. Mazava loatra raha feno ny làlana satria mihetsika avokoa izany ny fiara rehetra izay misy, ary izay manana izany dia tena mampiasa izany isan’andro…
D.R