Tena efa ratsy ny fiainan’ny mponina eto Toamasina, satria raha tsy matin’ny fitaovam-piadiana entin’ireo jiolahy manao fanafihana ny olona, dia matin’ny famonoana ataon’ireo olon-tsy fantatra eny andalam-podiana.
Tranga roa no niseho ny alahady lasa teo, ka ny voalohany dia tranga na vono olona niseho tao Andranomadio P/elle 11/44 tao amin’ilay Tanana hoe “Tafo lanitra”. Ny faharoa niseho tao Mangarano P/elle 11/47 amin’ilay lalam-baovao miazo ny lapan’ny prefektiora iny. Efa eny amin’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha saingy mbola ankamantatra avokoa ny anton’ireo vono olona ireo. Na izany aza ilay vono olona tao amin’ny mangarano iny, dia nahatsikaritra jiolahy telo mirahalahy ny mponina, izay mitondra “bois rond” misy fantsika tamin’ny famonoana azy. ho hita eo ny fanadiadian’ny mpitandro filaminana mikasika ireo vono olona niniana natao tsotra izao ireo, satria taorian’ilay tranga nahatifiran’ny polisy jiolahy isan’ny rain-dahany teto Toamasina roa lahy iny, dia nanangingina ny fanafihana mitam-piadiana fanaon’ireo andian-jiolahy.
Ankoatra izay dia tranga hiseho ny 12 febroary ho avy izao eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha na mpampiandram-bola madinika sy ramatoa iray nindram-bola tao aminy. Lasa resa-be eto Toamasina ity raharaha ity, satria nandoha ny volan’ilay mpampindram-bola foana ilay ramatoa teo aloha teo, fa tatratran’ny fahasahiranana kely izy dia tsy nahaloa izany intsony, ka nanaovan’ilay mpampindram-bola taky adala taminy ilay vola nindramina. Vola nanamboarana trano no nanaovany ilay fangahatana tamin’izay ka herintaona ny famerenam-bola tamin’izany. Ho hita eo izay didy ho raisin’ny fitsarana mikasika ity raharaha lasa resa-be eto Toamasina ity.
Malala Didier