- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTera-tany karana hody : Lasan’ny jiolahy ny vola iray sakaosy…

Tera-tany karana hody : Lasan’ny jiolahy ny vola iray sakaosy…

Tsy nisy nanampo na inona na inona ireo nahita ny zava-nitranga, tao Salazamay avaratra tsy lavitra ny fiangonana Mb Terezy ny sabotsy mitatao vovonana teo. Karana iray hamonjy fodiana niaraka tamin’ny vola iray sakaosy no nosakanan’ireto jiolahy, ary lasan’izy ireo ilay vola be…

Tao Valpinson dia efa narahan’ireto jiolahy roa nitaingina scooter ilay karana saingy tsy fantany. Nandray “tuc-tuc” ny tenany nanoloana ny fiangonana vavolombelon’i Jehovah Valpinson ihany ary nihazo ny lalana mody aminy, ao Salazamay avaratra. Efa narahan’ireto jiolahy hatrany anefa izy saingy tsy nanampo izany koa ilay mpamily ny “tuc-tuc” nandehanany, izay mbola nanala olona tao Ambohijafy avaratra. Raha tonga teo amin’ny sampanan-dalam-pasika miditra ny misy ilay karana dia niala izy, ary teo no niandrasan’ireo jiohaly roa azy izay efa tsy namono ny moteran’ilay scooter intsony. Ny rehetra nahita ny zava-nisy dia toa olona miresaka ilay karana sy ireto jiolahy roa, ny totohondry sy ny daka nahazo azy tampoka sy ny fisintonan’ireto jiolahy roa ny sakaosy feno vola tany aminy vao taitra ny rehetra nanodidina teo, saingy efa dila nirifatra tamin’ny scooter-ny ireto jiolahy vao samy nihoraka mpangalatra ny rehetra. Tsy fantatra mazava ny sandan’ny vola tao anatin’ilay sakaosy, fa ny hany voalaza araka ny fanadihadiana natao dia vola maty tamin’ny fivarotana ny zoma sy ny sabotsy no tao.

Raha ny angom-baovao dia somary efa lehibe ny iray tamin’ireo jiolahy roa izay nitondra ny sakaosy feno vola nitsoaka, raha tena mbola tanora kosa ny namany izay namely ny totohondry sy ny daka ary nisintona ilay sakaosy feno vola. Raha nanontaniana ny teo anivon’ny polisy dia mbola tsy naharay fitoriana mikasika ity raharaha fahaverezam-bola lasan’ny jiolahy tao Salazamay avaratra ity izy ireo…

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici