Tokatranona mpandrarahara sinoa iray no lasibatry ny fanafihan-jiolahy tao Befandriana Avaratra omaly maraina. Vola manodidina ny 60 tapitrisa ariary teo ho eo no very. Zandary iray, kaomandin’ny vondro-tobi-paritra any an-toerana no naratra ary jiolahy iray no tsy afa-manao intsony ny asa ratsiny. Nirefodrefotra ny basy. Nahery vaika ny fifandonana omaly vao mangiran-dratsy tao an-tampon-tanan’i Befandriana Avaratra tao. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any tokoa mantsy dia notafihana andian’olona tsy fantatra ny tokantranona mpandraharaha iray tao an-toerana. Avy hatrany dia tifitra variraraka moa no nataon’ireo jiolahy nentina nampitahorana ny tompon-trano, rehefa voafehin’izy ireo ny mpiambina. Ity farany izay naratra mafy vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy. Marihana fa manofa trano moa ity sinoa ity voatafika ity. Vao naheno ny tifitra ilay tompon-trano dia nivoaka ka voatsenan’ny bala. Naratra mafy ihany koa io olona io. Vola avy hatrany no notakian’izy ireo vantany vao tafiditra ireo jiolahy. Ary rehefa azony izay nilainy dia lasa izy ireo. Nandritr’izay kosa, rehefa nahare fa nisy fanafihana mitam-piadiana tao amin’io tokantrano io dia nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary notarihin’ny Kaomandin’ny tobi-paritra. Teo am-piomanana ny hitsoaka mihitsy ireo olon-dratsy no nifanehatra ny roa tonta. Raikitra indray ny fifandonana. Ireo jiolahy, tetsy ankilany dia nitifitra raha vao nahita ireo mpitandro filaminana. Voakendrin’izy ireo tao anatin’izany ny lehibe nitarika azy ireo. Bala maromaro no niantefa teny amin’ity zandary ity. Teo amin’ny feny, ny tratrany, ny kibony. Namaly tifitra kosa ireo voatifitra ka jiolahy iray indray no lavo tamin’ireo mpanafika. Na izany aza dia tafatsoaka ihany ireo namany hafa. Sisa tsy voatifitra. Novonjena haingana avokoa moa ireo naratra rehetra, ilay tompon-trano, ny mpiambina ary ity zandary ity izay tena voa mafy tokoa. « Nandray andraikitra avy hatrany ny Commandant de compagnie Mandritsara raha vao nandre ny tranga ka nandefa fiara hamonjena ny naratra hitondra azy tao @ hôpital adventiste Ankazoambo ». Araka ny vaovao omaly ihany dia tsy vita tany an-toerana ny fitsaboana fa tsy maintsy nandefasana angidimby hitondra azy haingana, hotsaboina aty an-drenivohitra ny fitondram-panjakana.
m.l