- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversTetezan’Ankadievo : Vehivavy hita faty tao anaty rano

Tetezan’Ankadievo : Vehivavy hita faty tao anaty rano

Ny talata alina teo no voalaza fa nitsoraka tao ambany tetezana ity vehivavy iray ity, tetsy amin’ny tetezan’Ankadievo, By pass. Ninia namono tena ? Hatreto dia izay aloha no filazan’ny avy eo anivon’ny mpitandro filaminana, tonga nijery ifotony teny an-toerana, omaly maraina. Nampandrenesin’ny filohan’ny fokontany teny an-toerana mantsy izy ireo, ny pôlisy teo anivon’ny kaomisarian’Alasora, mahakasika ny fisiana vatan’olona hita tao amban’io tetezana io. Rehefa tonga teny an-toerana ireto farany, niaraka tamin’ny mpitsabo dia voamarina fa efa tsy nisy aina intsony ity farany. Maty an-drano, izay no vokatry ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra. Vehivavy manodidina ny 25 taona any ho any izy io, raha ny angom-baovao azo teny an-toerana ary tsy mponina eny an-toerana. Tsy misy mahafantatra azy rahateo mantsy ireo nahita ny razana. Raha ny filazan’izy ireo mantsy dia toa hoe efa ny alin’ny talata teo ity farany no nisy nahita olona nitsambikina teo amin’io tetezana io. Hiaraha-mahalala anefa ny ora-nikija namely teto an-drenivohitra sy ny manodidina tamin’izay fotoana izay, ka tsy nahafahana nanamarina ny fisian’izay zavatra izay tokoa. Omaly maraina vao maraina no voamarina fa tena olona tokoa ilay nitsambikina teo amin’ny tetezana, rehefa nisy nahita ny vatana mangatsiakany, nihohoka tao anaty rano. Ireo fokonolona nahita ihany moa no nampiakatra azy tety an-tanety ary niantso ny tompon’andraikitry ny filaminana nony avy eo. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo sy ny mpitandro filaminana moa dia nentina nihazo ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ity vehivavy ity. Ny kaomisarian’ny pôlisy Alasora kosa no miandraikitra ny fanadihadiana, mahakasika ity raharaha ity

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici