- Publicité SW45 -
mardi, octobre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTetezan’Anosizato : Niteraka savorovoro tanteraka omaly

Tetezan’Anosizato : Niteraka savorovoro tanteraka omaly

Sady tsy afaka nandroso no tsy afaka niverina. Omaly maraina raha tapaka ny fifamoivoizana teo ambony tetezan’Anosizato noho ny fisian’ny kamiao iray izay simba teo amboniny, nanomboka samy nirohotra ary samy nanao izay nahafahany teo an-toerana ny rehetra. Na ny fiara izany na ny olombelona. Vokatr’izany dia nikatso tanteraka ny fifamoivoizana. Sady tsy afaka nandeha ny fiara no tsy afaka nandeha ny olona. Dia samy niraikitra teo ambony tetezana teo avokoa. Efa ho olona an’arivony. Tsy nisy nahavita nametraka lamina na iray aza fa dia samy nieritreritra ho an’ny tenany dia ny mba hahafahana miala eo ihany. Nandritry ny adiny telo no niainana izany omaly maraina, tokony ho tamin’ny valo ka hatrain’ny 11 ora teo. Niditra an-tsehatra ny zandary, ny polisy maro ary niezaka nandamina. Samy maika avokoa ny olona ary mbola samy nibosesika niditra ny tetezana ihany na dia hita aza fa efa tsy misy làlana intsony teo amboniny. Soa fa tetezana mafitoto, ireny vita tamin’ny fanjanahan-tany ireny fa raha kitoatoa dia angamba nirodana teo noho ny vesatra ary dia azo heverina ny loza mety ho naterak’izany. Ireo izay tena maika omaly dia nandray lakana ary niampita tamin’izany. Lasa bizna nety tampoka koa ity fitaterana iray ity omaly teo an-toerana. Noho ny habetsahan’ny olona dia nampiakatra ho 100% ny sarany ny mpitatitra. Nanomboka teo amin’ny 200 ary niakatra ho 400 ariary. Izay tena dondona aza dia nanome hatramin’ny 1000 ariary mba hahazo toerana haingana. Ho an’ny fiara indray, betsaka ny nihodina ary nizotra tany Itaosy. Vokatr’izany dia nizaka ny mafy koa ny làlan’Itaosy izay efa itoeran’ny fitohanan’ny fifamoivoizana isa-maraina. Nitombo efa ho avo telo heny izany omaly. Mahakasika ilay kamiao indray dia naiditra valam-pamonjàna aloha izany ary nisy fanadihadiana nisokatra. Sempotra tanteraka Antananarivo ary ny tranga toa izao dia manaporofo izany. Ankoatra ny « lavaka misy làlana » izay iainana ankehitriny dia raha vao misy toe-javatra mivoana kely (toa ny fiara maty) dia efa kilaometatra maro izay ny fitohanana aterany. Mirefy 220 km ny làlana rehetra eto an-drenivohitra ary efa saika potika avokoa ny 80% an’izany ankehitriny noho ny tsy fisian’ny asa fikojakojana ara-potoana. Ireo izay efa namboarina indray dia vita kitoatoa ary efa potika tanteraka. Volabe tsy toko tsy forohana anefa no natokana ho an’ny fanamboaran-dàlana, isan’izany ny Fonds Routiers (FR) izay andoavan’ny mpanjifa solika vola isaky ny litatra vidiany. Tsy io ihany fa mbola misy karazam-bola hafa izay natokana ho an’ny làlana na eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna na ny faritra. Tsy hidirana ny amin’izay satria ny manam-pahaizana isan-tsokajiny no mandrindra azy fa ny hita maso aloha dia tsy mbola nisy làlan’Antananarivo potika toa ny amin’izao fotoana…

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici