- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversTetezan'i Belamandy-Maevatanàna : Taksiborosy voatafika, lasa ny volamena iray kilao

Tetezan’i Belamandy-Maevatanàna : Taksiborosy voatafika, lasa ny volamena iray kilao

Matetika ren’ny sofina sy hitan’ny maso dia ny fiara taksiborosy no iharan’ny fisakanana ataon’ny jiolahy eny anebakemban-dalana, na amin’ny alalan’ny vato na hazo na ihany koa tojo lalana ratsy ny fiara. Ity indray mitoraka ity dia ny jiolahy mihitsy no tao anaty fiara notafihany. Nisehoana fanafihana taksiborosy teny amin’ny tetezan’i Belamandy, ny talata heriny lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora mitataovovonana. Volamena mitentina iray kilao no voaroba tamin’izany ankoatra ny vola izay mbola tsy fantatra mazava. Teny amin’ny RN4 mampitohy ny toerana antsoina hoe Begisa sy Antsiafabositra, izay ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’izany asa ratsy izany. Avy namonjy tsena tao Andriba hihazo eto Maevatanàna ity fiara  » sprinter » no efa tafiditra tao ireo jiolahy, izay tsy nifanampozan’ny maro hanatanteraka ny asa ratsy. Iny nandeha teny an-dalàna nanala olona ilay fiara no nambanan’ireo enin-dahy nirongo basim-borina. Taitra tampoka ny mpamily sy ireo olona niaraka amin’izy ireo tao anaty fiara. Tsy afa-nanohy ny lalana intsony moa ny fiara tamin’io, vokatry ny fanambanana basy nataon’ireo olon-dratsy. Noho ny tahotra, dia tsy nisy sahy nanohitra ireo olona tao anaty fiara, fa nanaiky fotsiny ny baikon-dry zalahy. Lasa nitsoaka tany anaty ala izy ireo rehefa azony izay ilany. Efa nampandrenesina ny zava-nitranga ny Zandary tao amin’ny  » Poste fixe Antsiafaobitra, » ka efa mandeha ny famotorana sy fikarohana ireo jiolahy. Araka ny fanampim-panazavana dia toa hoe efa nisy olona roa tratran’ny mpitandro ny filaminana hono anisan’ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny fanafihana niseho. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici