- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversTetezan’i Tanjombato : Lehilahy tsy hita telo andro, hita faty natsingevan’ny rano

Tetezan’i Tanjombato : Lehilahy tsy hita telo andro, hita faty natsingevan’ny rano

Lehilahy manodidina ny 40 taona any ho any no hita faty, tao ambany tetezan’i Tanjombato omaly. Efa andalam-pahasimbana tanteraka ny razana tamin’ny fotoana nampiakarana izany avy ao anaty rano. Tombanan’ny rehetra fa ela izy no nilona tao anaty rano tao.

Hiarahan’ny rehetra mahalala tokoa fa somary mbola ambany ihany ny ranon’Ikopa iny, eny fa na dia efa nirotsaka andro vitsivitsy ihany aza izay ny orana. Ny sasany tamin’ireo mpandalo sy mpiantsena maraina teo ambon’iny tetezana iny no nahatsikaritra zavatra hafahafa, natsingevan’ny rano, omaly maraina. Rehefa notilian’ireo mpanasa lamba dia akory ny hatarain’izy ireo raha nahatsikaritra tanana sy tongotra, faty olona natsingevan’ny rano ! Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitra ary vetivety teo tokoa dia niparitaka ny vaovao, ary nanomboka nitangorona ny olona. Lehilahy noterem-panahy no nilomano ary nisarika ny vata-mangatsiaka tety an-tanety. Lehilahy izy io, ary saika potika tsy nisy namantarana azy intsony ny tarehiny saingy mbola hita soritra sy fantatr’ireo mponina teny an-toerana ihany fa teny amin’iny faritra Tanjombato iny ity farany no nonina. Ankoatr’izay dia voalaza ihany koa fa efa andro vitsivitsy ihany izay no tsy nody an-trano intsony  izany lehilahy izany. Efa nandeha teo ny fikarohana azy saingy tsy fantatra ny tany nanjavonany kanjo dia izao hita faty, natsingevan’ny rano izao. Marihana fa tsy nisy fitafiana ankoatry ny kilaoty kely teny aminy. Dobo an-drano sa nisy namono ? Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana sy ny fitsirihana ifotony moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary heverina fa hovoavaly aorian’izay ireo fanontaniana ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici