Notsindromina antsy izy ary tao amin’ny efitrano fanaovana maloto no hita ny fatiny. Tovolahy iray 21 taona izay nifetifety tao amin’ny toeram-panaovana karaoké iray eo amin’ny manodidina ny tetezan’Iavoloha no niharan’izany. Izy efa tsy mihetsika intsony ary efa tsy nisy aina intsony no nisy nahita. Tsikaritra teo koa ny dian’antsy izay mazava hoazy fa nitarika ny fahafatesany. Nisy namono ity lehilahy mbola tanora ity raha ny tombana ary manazava izany ny zava-maranitra izay nitsatoka taminy. Ny alin’ny sabotsy no nanao karaoké teo amin’ilay toerana izy ary efa madiva maraina ny alahady no nisy nahita. Iza no niaraka taminy? Vitsy ihany mantsy izany hoe lehilahy handeha irery hanao karaoké izany. Tokony miainga eo ny fanadihadiana mba hahafahana mamantatra izay antony namonoana azy sy ny tompon’antoka tamin’izany. Betsaka loatra ny heloka bevava izay nitranga teto an-drenivohitra tamin’iny herinandro lasa teo iny, indrindra ny faran’ny herinandro. Miandry ny fahaiza-manaon’ny mpanao fanadihadiana ankehitriny ny daholobe mba hahafahana mahafantatra ny marina sy ny hisamborana ny mpamono olona satria tena manimba tanteraka ny saim-bahoaka.
D.R




