Nihaona tamin’ireo mpanao gazety teto Toamasina ireo tompon’andraikitra sy ny sampana seraseran’ny tetikasa Volobe II ao Ambodilazana Toamasina II. Nanditra io fihaonana io no nilazan’izy ireo fa hanomboka amin’ity taona ity ny fanamboarana ilay lalana 45km, izay lalam-baobao, mampitohy an’i lalam-pirenena faha-2, eo amin’ny sampanana « carrière Colas » sy mihazo ny toerana hananganana ilay tetikasa Volobe II ao amin’ny kaominina Ambodilazana. Efa miomana ao anatin’izany ny tetikasa no sady manarina ilay lalana teo aloha (39km), ahafahana manarina ny fahasimbana ao Volobe I an’i Jirama vokatry ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Gezani. Ny fahavitan’ity lalana ity mantsy no hanome tombony ireo mponina manodidina amin’ny famoaham-bokatra, no hanamora ny fivezivezena ny orinasa CGHV amin’ny asa fanamboarana ireo barazy sy ho famokarana herinaratra hataony. Nandritra izao fihaonana tamin’ny manao gazety izao koa no nampahalalan’ny talen’ny seraseran’ny orinasa CGHV, fa nanao zava-dehibe ny aroloza izy ireo ny taona nivalona iny araky ny tanjona napetreka , ka tratra izany satria tsy nahitana loza lehibe nahatsiravina tany an-toerana nadritra ny taona 2025. Vita ny taona nivalona iny koa ny drafitra arakasa mikasika ireo orinasa voasivana hanao ireo asa mavesatra eo anivon’ny tetikasa mahakasika loha-hevitra telo, dia ny asa vaventy – ny resaka « électro-mécanique » – ireo hisahana ny zotra fitanterana ny herinaratra. Ankoatra dia vita ny taona lasa avokoa ny mahakasika ny tany ho an’ireo mponina manodidina tsy maintsy halana noho ny tetikasa, sy ny fandinihana ny fanonerana samy hafa ho atao ho azy ireo, na ara-bola na ara-pitaovana, araka izay tian’izy ireo. Izay ny tetikasa CGHV avokoa no miantoka izany, hiarahany n’ny fanjakana Malagasy manatontosa raha tonga ny fotoana izany. Nisy koa ny fijerena ny herinaratra ho an’ny ao amin’ny kaominina Ifito sy Satrandroy miainga amin’ity tetikasa ity.
Malala Didier




