Natao ny alarobia tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “le Calypso” ny fampahalalana ny daholo be ny fitohizan’ny tetikasa Fandriaka I, ka lasa tetikasa Fandriaka II izy ankehitriny. Tetikasa tohanan’ny vondrona Unicef sy ireo mpiara-miombona antoka aminy ity tetikasa Fandriaka ity, ka isany fomba iray nandresen’ny Toamasina-I ny Covid-19 teto izany farany teo, ka nahafahana niala tao anatin’ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana taty aoriana. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny tetikasa Fandriaka dia maro ny fomba nentina nanentanana ny olona nandritra ireny Covid-19 teto Toamasina renivohitra ireny, ka nampiasaina avokoa ireo fitaovan-tserasera rehetra tamin’izany isan’izany ireo “tam-tam” amin’ny fiara samy hafa miisa 07 isan’andro, ireo tambajotran-tserasera misy eto amintsika, ary ireo haino vady jery rehetra teto Toamasina. Na izany aza anefa, raha ny 29 mai 2020 teo no tratran’i Toamasina ny “pic” ny valanaretina tamin’ny salanisa 134 miabo ny Covid-19 tamin’izay, dia efa taty amin’ny volana jolay sy ny volana aogositra vao tena nidina be ny olona voan’ny valanaretina, ary mbola mitohy hatramin’izao izany. Nomarihan’ny governora ny faritra atsinanana fa ilaina hatrany ny fanarahana ny fitandrem-pahasalamana ataon’ny tsirairay mba tsy hiverenan’izany intsony, tahaka ny misy any eropa ankehitriny, ka tsy maintsy hamafisina ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ireo tsy manao aro-tava. Betsaka mantsy ny manaotao foana amin’ny tsy fampiasana intsony izany, ka asaina manao ny “Travaux d’Interet General” ireo tratra tsy manao izany manomboka izao.
Malala Didier