Nanao hetsika ara-kolontsaina teo amin’ny toerana malalaka teo amin’ny lapan’ny tanana ny hetsika « Participe » hiarahana amin’ny FES (Friedrich Ebert Stiftung), sy ireo tanora mpihofana sy avy nihofana teo anivon’ny YLS (Youth Leadership Seminar) ny FES. Araka ny fanazavana nataon’ireto tanora ireto dia hisy ny fanohanana ny zotram-pifidianana ataon’izy ireo, ka ao anatin’izany ny fanofanana ireo mpitantanana ho avy, eo koa ny fanaovana sonia ny sata fifampifehezan’ny mpanao politika. Voalaza koa fa faritra 04 dia Atsinanana – Matsiatra Ambony – atsimo Andrefana – Analamangasy, tanora 25 ary tanora hafa miisa 50 tompon-daka no miditra ao anatin’ity tetikasa « participe » hiarahana amin’ny FES. Efa nanao peta-drindrina miisa 400 ireto tanora ny YLS ny FES, ka ireo peta-drindrina ireo dia ho ampiasaina amin’ny zotram-pifidianana ho atao eto amintsika. Ankoatra izany dia nanomboka ny alarobia 30 aogositra teo ny tetikasa rehetra, izay iarahan’izy ireo amin’ny kaominina ambonivohitry Toamasina I. Ireo tanora 50 ao anatin’ilay YLS avy amin’ny antoko politika sy ny fiaramonim-pirenena ary ireo haino vaky jery, izay mahazo fanofanana indroa. Ny fanofanana voalohany dia mikasika ny fanamafisana ny « leadership politique » sy ny « étique politique ». Ny fanofanana faharoa kosa dia momba ny fanentanana ara-pifidianana.
Malala Didier