- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilSociétéMandoto :  Tetik’asa PURPA - Tantsaha 180 isa nahazo fanampiana

Mandoto :  Tetik’asa PURPA – Tantsaha 180 isa nahazo fanampiana

Fizarana tohana avy amin’ny Tetitak’asa.

« Projet d’Urgence de Renforcement de la Production Alimentaire à Madagascar » na PURPA dia tetikasa vatsian’ny banky Afrikana ara bola, seha pihariana efatra no tohanany, ny vary anaty rano, vary an-tanety, voanjo ary ny varim-bazaha, mazava hoa azy fa ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana no mananteraka azy, roa taona no faharetan’ny tetikasa.Tantsaha avy ao amin’ny distrika Mandoto no nisitraka ny fanampiana avy amin’ny tetika tamin’ ity andiany ity. Manodidina ny 180 ireo tantsaha no nisitraka ny tosika avy amin’ny tetikasa PURPA. Masomboly, zezika NPK, zezika bilolojika no nozaraina isam-bataon’olona, tao amin’ny tranom-pokonolona no nanaovana ny hetsika ny datin’ny 01 Aogositra lasa teo. Ho marika hamantarana fa tantsaha matianina ireo mpisitraka dia nomena karatra manokana hamatarana ny maha matianina izy ireo. Ao anatin’ny fanaovana voly avotra tanteraka ny tantsaha amin’izao vanim-potoana izao, manampy betsaka ny mpamboly eo amin’ny fihariany ny fanaovana ity voly avotra ity ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy nandritra ity foana ity izany voly avotra izany. Marihina fa misy fandraisana anjara avy amin’ny mpisitraka ny fahazoana ireo tohana avy amin’ny tetikasa ireo izay tombanana ho 10 isan-jato eo ho eo, ary misy ny fanaraha-maso ny vokatra ataon’ny tompon’andraikitra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici