- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTetikasa TARATRA : Fampitoviana ny fahalalana ny herena ankibon’ny tany

Tetikasa TARATRA : Fampitoviana ny fahalalana ny herena ankibon’ny tany

Fihaonam-be nasionaly no natao teto Antananarivo,  tao amin’ny « Centre Spirituel Thérèse d’Avila » Itaosy, ny 1 ka hatramin’ny 3 martsa, ahitàna mpizaika 140 avy any tamin’ny toerana misy ny fitrandrahana,  toa an’I : Mahajanga ,Moramanga ,Toamasina ,ary Tsiroanomandidy. Samy iasan’ny tetikasa TARATRA izy ireo ary mirafitra ho tambajotra miady amin’ny fampanjakana  ny fitondrana tsara tantana amin’ny harena ankibon’ny tany. Fanamafisana sy fampitoviana ny fahalalàna  momba ny harena ankibon’ny tany no tanjon’ny atrikasa mandritra ny hateloana. Nifampizarana nandritra ny andro voalohany ny mahakasika ny lalàna momba ny fananan-tany eto Madagasikara, izay isan’ny nazahoan’ity tetikasa ity fitarainana betsaka indrindra. Ny 78% amin’ny fitarainana  voaray dia olona manana ady amin’ny resaka tany avokoa. Ny fijerena miaraka ny tokony hatao amin’ny fandresen-dahatra  an’ireo mpitondra fanjakana, noho ny fiantraikany  ratsy  amin’ireo olom-pirenena vokatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no ivon’ity atrikasa nasionaly ity. Tombony ho an’ity tetikasa TARATRA ity ny fisian’ireo olona maro avy amin’ny sehatra be dia be eto amin’ny firenena, mpikambana ao anatiny ary samy resy lahatra avokoa fa ny firaisan-kina no hery enti-miady amin’ny fitakiana ny tombontsoa iraisan’ny tsirairay.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici