Ny talata lasa teo no nadoboka am-ponja vonjimaika ity tovolahy iray; izay voarohirohy tamin’ny fanaparitahana sary mamoafadina tovovavy iray tao anaty tambazotran-tserasera sy tao anaty aterineto.
Ny zava-nisy : Nisy ny fametrahana fitarainana nataona tovovavy iray teo anivon’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny « cybercriminalité », noho ny fanalana baraka azy tamin’ny alàlan’ny famoahana sary mamoafady mahakasika azy tao anaty tambazotra sosialy sy tranonkala iray. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy ary nanao ny fanadihadiana rehetra mahakasika ny tao ambadik’izay zavatra izay, izay marihana, hoy ny fampitam-baovao azo fa solon’anarana miafina no nanaparitahan’io olona io ireo sary sy horonantsary. Vetivety ihany dia fantatra ny olombelona tao ambadik’izany, izay tsy iza, raha ny vaovao hatrany fa ny sakaizan’io tovovavy io taloha ihany. « Ilay olon-tiany taloha no naka an-tsokosoko ireo horonan-tsary ireo ”. Ankevitry ny tezitra sy tsy nahazaka ny nisarahan’ity tovovavy taminy ingahirainy ka nanapa-kevitra ny hamaly faty tamin’ny alàlan’izao fanalàna baraka ankitsirano azy izao. Nosamborina avy hatrany moa ilay tovolahy, nofotorana ary izao tonga hatramin’ny fampidirana azy am-ponja vonjimaika izao.
Ekena fa mety ho lamaody ary mety hampiakatra ny filàna ny fanaovana “sextape” (fakàna sary na horonantsary eo am-panaovana firaisana), izay tsy vitsy amin’ireo tanora tsy tonga saina no manao azy amin’izao fotoana izao. Saingy ambaran’ireo tompon’andraikitra ombieny ombieny, fa mampidi-doza, noho ny areti-mandringana izany. Tsy vitsy mantsy ireo tanora no efa namoy fo, namono tena, vokatry ny fahafaham-baraka tanteraka nateraky ny fandefasana tsy nahy na niniana natao izany tao anaty aterineto. Manginy fotsiny fiainana simba : tsy ireo voakasika fotsiny ihany fa miantraika amin’ireo olona manodidina azy rehetra.
m.L