Taorian’ny fanafihana mpitam-piadiana izay nahafaty olona roa teto Toamasina, sy ny toromarika avy amin’ny minisitry ny filaminana anatiny, dia nitohy hatrany ny hetsika ho fampandriana fahalemana ataon’ireo polisim-pirenena eto Toamasina, notarihan’ny kaomisera isany, Manitra Razafindahy (tampon-tanàna), Gerverin Raelison (heloka be vava), Jules Rafaliarivo (FIP), Christian Rakotovao (Tanambao II) ary Rakotondrabako (Mangarano), nisy ny vokatra azon’izy ireo ankehitriny. Hanafika karàna? Nisy noho izany ireto andian-jiolahy 6 teo am-piketrehana fanafihana Karàna teto Toamasina saron’izy ireo teny amoron-dranomasina, ny zoma teo, izay niaraka tamin’ny basy PA kilalao sy torolalana samihafa. Avy hatrany, raha ny fanazavana, dia niaiky ny zavatra nataony izy enin-dahy ireto, izay efa samy nanana ny andraikiny avy mikasika ity fikasana hanafika “karana” ity. Raha ny fanazavana dia efa ny alakamisy hariva lasa teo no niketrika ity fanafihana ity izy ireo tao Anjoma Ambalabe, ka noho ny vaovao azon’ny polisy no nahatrarana azy ireo ambodiomby.
Malala Didier