- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Andian-jiolahy mpamely “bois rond” sy mpanendaka, tratra ireo enin-dahy, tovolahy...

Toamasina : Andian-jiolahy mpamely “bois rond” sy mpanendaka, tratra ireo enin-dahy, tovolahy tsy ampy taona ny roa

Fomba fiasa vaovao entin’ny polisy eto Toamasina izao ny fanaovana fisafoana tanàna amin’ny alalan’ny moto sy ny tsy fanaovana fanamiana polisy, entina hanaraha-maso ireo andian-jiolahy manakorontana ny filaminam-bahoaka, ary mahalala amin’ny antsipiriany ireo fiara fampiasan’izy ireo andavanandro. Tsy hain’ireo jiolahy anefa izany ka ireo polisy manao ny asany indray no ravain’izy ireo.

Tranga voalohany ny nahazo ireto polisy ny Fip manao ny asany manao fanaraha-maso ny fokontan’i Tanamakoa sy ny lalana Tanambao V mivoaka ny fokontan’i Tanamakoa, izay mazana ahazoan’izy ireo antso sy fitarainana noho ny fanendahana mpandeha tonga maraina amin’ny “taxi-brousse” mamonjy fodiana. Tsy nanam-po na inona na inona tokoa ireto andiana jiolahy ka polisy miasa no nendahan’izy ireo, raikitra ny ady ka voasambotra am-bodiomby tamin’izany i R. Guillaume 18 taona, izy indray avy eo no nanoro ny namany izay afa-nitsoaka nandritra ny zava-niseho ka voasambotra tao an-tranon’ny ray aman-dreniny i Mahefa 23 taona; izay efa in-3 nidoboka am-ponja ary nanao izao fanendahana mpandalo alina sy maraim-be tao Tanamakoa izao hatramin’ny faha-15 taonany.

Ny seho faharoa kosa dia ny nahazo ity polisy miasa eo anivon’ny kaomisarain’i Toamasina renivohitra ity, izay voavelin’ny hazo nisy fantsika izay fomba fanaon’ireo mpanedaka amin’ny lalam-baovao ao Tanambao V ihany koa tato ho ato. Tsy nampoizin’izy efa-dahy fa polisy manao ny asany ity novelezin’izy ireo hazo nisy fantsika ity, ka raikitra avy hatrany ny fisamborana ka efa-dahy no tratra tamin’izany, nahitana an’i Jerry sy Ortega izay samy 16 taona, Ludovic na Tantely 32 taona izay vao haingana no saron’ny polisin’ny Fip noho izao halatra moto izao ihany, ary Jimmy 20 taona izay fantatry ny mponina manodidina amin’ny fanendahana, fa tsy misy sahy manoro azy mihitsy noho ny fandrahonany amin’ny famaliana faty sy famonoana ireo mijoro ho fahavalony ihany koa.

Nohamafisin’ireo kaomisera efatra mianadahy misahana ireo kaomisaria efatra misy eto Toamasina, fa tsy ho resy ny tsy filaminam-bahoaka raha tsy eo ny fiaraha-miasan’ny rehetra sy ny polisy amin’ny fanomezam-baovao, sy manala ny tahotra amin’ny resaka valifaty. Nanome toky izy efatra mianadahy ireto fa vonona hatrany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, nanaovany fianianana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici