- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina : Araha-maso akaiky koa ny Praiminisitra teo aloha

Toamasina : Araha-maso akaiky koa ny Praiminisitra teo aloha

Noho ny tahotry ny fitondram-panjakana amin’ny fiheveran’izy ireo fa misy mikotrika fanonganam-panjakana, izay nahatonga ny tranon’ny Kly Lylison sy Atoa Ravatomanga Mamy nosavaina, sy ny didy manakana azy ireo tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara ihany koa; dia fantatra izao araka ny loharanom-baovao matotra tao Toamasina, fa isany araha-maso akaiky ihany koa izao ny praminisitra teo aloha nandritra ny fitondrana tetezamita, Atoa Beriziky Jean Omer ao Toamasina.

Mifandray? Isan’ny antony nandraisan’ny fanjakana izao fanaraha-maso an’ity praminisitra teo aloha miasa sy monina ao Toamasina ity ankehitriny, dia ny haihay mandeha any rehetra any araka ny loharanom-baovao hatrany fa, “mifandray” ireto olona voasava trano sy nahazo didy tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara ireto sy Atoa Beriziky Jean Omer. Nandritra ny naha-praiminisitra azy rahateo dia mpiara-miasa ny Kly Lylison sy Atoa Ravatomanga Mamy. Ny angom-baovao io ihany koa no nahalalana, fa mandeha ny feo fa efa manangona andian’olona hanao fanakorontanana ao Toamasina ny Kly Lylison, ka isany voasaringotra ao anatin’izay koa Atoa Beriziky Jean Omer. Raha izao no mitohy dia atahorana ihany koa ny didy mampisava trano hahazo an’ity praminisitra teo aloha ity ao Toamasina; izy rahateo masiaka fiteny amin’ny fitondrana, noho ny fitotonganan’ny fiainam-bahoaka.

Kolonely roa. Tsy ity praiminisitra teo aloha tamin’ny tetezamita ihany no fantatra araka ny loharanom-baovao amin’izao fanaraha-mason’ny fanjakana izao, fa eo koa ireto kolonely roa dia ny Kly Charles de Favier sy ny Kly Charles izay manana fianakaviana sy trano ao Toamasina ihany koa. ny kolonely voalohany dia fantatry ny maro sy ny fanjakana fa isan’ny nandray anjara tamin’ny raharaha 2001 sy fampandrian-tany ny taona 2002 niaraka tamin’Atoa Ravalomanana Marc, izay mbola mpanolotsaina ny Tiako i Madagasikara eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ihany koa ankehitriny. Saingy na efa misotro ronono aza izy ankehitriny, dia mitoetra hatrany ny ahiahin’ny fanjakana aminy. Ny kolonely faharoa kosa dia noho izy roa lahy ireo isany anton’ny zava-nisy ny taona 2009; koa na nisy aza ny tsy fifanarahana teo amin’izy roa lahy, ny Kly Lylison sy ny Kly Charles teo aloha, dia mitoetra hatrany ny ahiahim-panjakana amin’ny mety hitambaran’izy ireo indray amin’izao raharaha misy izao.

Ankoatra izay, dia nahagaga ny maro ihany koa ny fanamafisana ny fanaraha-maso ataon’ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpiambina tsy miankina misahana ny fiarovana ny seranan-tsambon’i Toamasina nanomboka ny herinandro nivalona iny. Misy ifandraisany amin’ny ahiahim-panjakana amin’ity resaka fitaovam-piadiana ity ve? Ho hita eo ny mikasika izany, fa tsy mbola nisy aloha hatreto ny fanazavana…

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici