- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina –Asan-jiolahy : Lehilahy 15 sy vehivavy 3 nosamborin’ny polisy

Toamasina –Asan-jiolahy : Lehilahy 15 sy vehivavy 3 nosamborin’ny polisy

Mirongatra ao Toamasina indray tato ho ato ny asan-jiolahy “madinika” amin’ny fanaovana fanendahana, sy halatra moto mijanona amin’ny sisin-dalana, ary ny halatra vy amin’ireo toerana misy fanamboaran-trano. Vokatry ny fitarainan’ny olona dia nanao hetsika manokana ny polisy, ankoatra ireo hetsika efa ataony amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo andrimasom-pokonolona, sy ny fisafoana eny an-dalana samihafa, ary ny fisavana ireo fiara sy moto eny an-dalana.

Ny tranga voalohany saron’ny polisy tamin’ny hetsika manokana nataony dia ilay halatra “moto scooter” teo amin’ny sampanan-dalana Bd OUA sy “Rue de Latrre de Tassigny”, ao Anjoma, raha variana niasa tsy lavitra teo ny tompony, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Sarona teo am-pangalarana sy teo am-pamenolana ity moto nangalariny ilay tovolahy. Ny tranga manaraka dia ireto tovolahy telo tratra tao Ambolomadinika Jovenna, tokony tamin’ny 9 ora alina, izay avy nanendaka ramatoa, satria mbola tratra tany amin’izy ireo ny poketran’ity ramatoa ity sy ny vola tao anatiny, teo koa ireo fitaovam-piadiana tsotra fampiasan’izy ireo. Isan’ny tratra niaraka tamin’izao i Fabrice izay efa voasambotry ny polisy noho fanendahana, saingy rehefa nahavita ny sazy azony tamin’ny fitsarana dia izao mamerin-keloka izao indray. Ny tranga fahatelo kosa dia ny fanendahana tovovavy roa hody tao Tanambao V manakaiky ny fiangonana Fjkm Betela, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tovolahy 5 kosa no nanendaka azy ireo ka noho ny fahalakian’ny antso azon’ny polisy dia tratra tao amin’ny “gare routiere” izy 5 lahy ary mbola tratra teny amin’izy ireo ny findain’izy roa vavy sy ny vola. Ny tranga faha-4 dia ilay halatra vy fanamboaran-trano tao Ampasimazava niisa 54 nataon’ireo olona 8, ka vehivavy ny 3. Nahazo antso mialoha ihany koa ny polisy, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina nitateran’izy ireo ilay vy fanamboaran-trano, ka nahatratra azy ireo ambodiomby. Tafaverina tamin’izany ny vy 34 raha mbola karohina kosa ny 20, izay efa nafenin’ireto mpangalatra 8 mianadahy ireto. Ny tranga farany dia ny fahatrarana ireo entana avy nangalarina jiolahy tao Androranga, saingy vao nahita ny fiaran’ny polisy izy ireo dia vaky nandositra, koa navelan’izy ireo teo ny “moto scooter” iray sy “lecteur” roa avy nangalarina.

Mitohy ny fametrahana filaminana ao Toamasina, mitohy ihany koa ny fisafoana eny an-dalana sy isam-pokontany. Miangavy hatrany anefa ny polisim-pirenena fa ny fahatongavan’ny antso haingana sy fiaraha-miasa matotra amin’ny mpiara-monina ihany no hahazoana vokatra haingana.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici