
Kaodikaody vao nifanena tamin’ny mpitandro ny filaminana, ireo polisy eo anivon’ny sampana vonjy taitra ao Toamasina. Io no nahamalina avy hatrany ireo mpanao fisafoana. Ny kitapo teny amin’ilay lehilahy rahateo nampiahiahy avy hatrany satria miendrika mitondra zavatra lava. Mailo avy hatrany ary natao ny fisavàna ilay lehilahy. Inona tokoa fa karazana fitaovam-piadiana no tao anatin’ny kitapony. Nisy basy, bala miisa 15, antsy ary finday. Rehefa nojerena akaiky dia basy vita gasy ary tsy nisy taratasy ara-dalàna niaraka taminy. Notazomina avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Natolotra ny sampana misahana ny ady amin’ny heloka bevava (SRPJ) ny voasambotra mba hanohizana ny fanadihadiana. Ity tranga ity dia ampahany amin’ny ezaka atao hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fitondrana basy tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra Atsinanana. Tovolahy 24 taona ity voasambotra ity ary mbola mitohy ny fanadihadiana azy satria misy ny fanahiana mafy ny mety ho fisian’ny tambajotra ao ambadika. Atsinanana dia isan’ny faritra mafana amin’ny asan-jiolahy mitam-basy. Efa betsaka izay namoy aina na nitondra takaitra izay tao Toamasina, vokatry ny asan-jiolahy. Betsaka izay bemidina efa natao izay ary efa betsaka ny lavo tamin’ny jiolahy na niditra am-ponja na koa nitondra takaitra. Na izany aza anefa dia toa tsy mety lany tamingana ireo olon-dratsy ao an-toerana. Ny tena olana dia saika manana basy avokoa izy ireo rehefa manatontosa ny asaratsiny. Hatramin’ny mpanendaka aza dia misy basy indraindray ao an-drenivohitry Betsimisaraka. Ny fanafihana mitam-piadiana dia indraindray tonga hatrany anelakelan-trano rehetra any. Efa nisy ny olona izay handeha hamonjy tokantrano ary novonoina ho faty noho ny fanendahana izay enta-keliny eny am-batany. Manampy trotraka ny asan-jiolahy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao an-toerana ary matetika dia ireo tanora tsy ampy izany no mivarina any anaty asan-jiolahy. Miezaka mafy ny mpitandro ny filaminana ary matetika misy vokany izany. Efa mba manomboka milamindamina Toamasina izay nisy fotoana efa voasokajy ho faritra mena tanteraka tamin’ny asan-jiolahy.
D.R


