- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Fahitalavitra nipoaka, trano 35 may tsy nisy noraisina

Toamasina : Fahitalavitra nipoaka, trano 35 may tsy nisy noraisina

Tsy misy noraisina mihitsy izahay izao, na lamba kely hamafako ranomaso avy aza tsy azoko tao anatin’ny tranoko may. May tao avokoa ireo fananana noharianay tan-taonany maro, hatramin’ny kahien-janako hiatrehany fanadinana amin’ity taona ity kila forehitra avokoa.”, izay no nambaran’ity ramatoa iray izay nanana trano miisa dimy may, ny iray nipetrahan’izy mianakavy ireo ambiny efatra kosa mihofa, nandritra ity haitrano tao Antseranapasika, ny alarobia tokony tamin’ny 10 ora maraina.

Raha ny fanazavan’ireo may fananana nandritra ity haitrano ity dia zavatra nipoaka mafy tao an-tranon’ity ramatoa iray mitaiza ny zanany irery no niatombohan’ny afo. Nisy fahatapahana mantsy ny herinaratra ny maraina tao amin’ity faritra Antseranapasika ity, ka mety hadinon’ity tokantrano ity ny namono ny fahitalavitra, ka raha niverina izany tokony tamin’ny 10 ora maraina dia ity fipoahana namoaka setroka mainty be sy lelafo be ity nitranga. Nanamora ny fiparitahan’ny afo ihany koa ireo trano vita amin’ny ravimpontsy sy hazo ary volotsangana niatombohan’ny afo sy ny manodidina azy rehetra. Raha nanontaniana mikasika izany kosa ity ramatoa voalaza fa niandohan’ny afo ity, izay tany am-piasany no nantsoin’ny mpiara-monina taminy nandritra ny zava-nitranga, dia nandefa fahitalavitra tokoa ny tenany mba hojeren’ny zanaky ny rahavaviny izay manao fialantsasatra tao aminy, saingy nanamafy ity ramatoa ity fa namono sy nanatsoaka ny taribin-jiron’ilay fahitalavitra talohan’ny nivoahany ny trano.

Nanampy trotraka ny fahavoazana ihany koa ny fiara mpamonjy voin’ny kaominina izay tsy azo tamin’ny finday tokony hahazoana azy, ka voatery nandeha fiara ireo mpiara-monina naka azy ireo tao amin’ny toby misy azy. Nony tonga anefa ity fiara mpamonjy voin’ny kaominina dia mbola zara raha nisy rano ihany koa, hany ka niantehitra tamin’ny fiara mpamonjy voin’ny seranan-tsambo ny famonoana ny afo ka tsy nampihitatra izany koa tamin’ireo trano hafa, fa nijanona tamin’ireo trano 35 tafo ihany. Ho an’ny jirama voakian’ny mponina may fananana tamin’izao raharaha izao ihany koa, dia nilaza mazava fa tsy tokony hampisy olana ny herinaratry ny jirama fa ny fomba fampiasan’ny olona azy no mahatonga ny olana aminy. Voalohany amin’izany, hoy ny Jirama, ny tsy famonoana ireo fitaovana samy hafa mandritra ny fahatapahan’ny herinaratra, faharoa dia ny halatra herinaratra sy fizarana izany amin’ny manodidina izay mety tsy ho zakan’ny kaontera, ary izay no nahatonga izao hai-trano izao.

Miantso fanampiana ireto fianakaviana 35 tafo ireto ankehitriny noho ny fananan’izy ireo may kila tsy nisy noraisina. Nandritra izao haitrano izao ihany koa dia kisoa miisa dimy 5 no may kila, ka renin-kisoa iray efa hiteraka ny alahady izao, araka ny fanazavan’ity tovolahy tompony, ny iray tamin’izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici