- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina – Fanadiovana : Noravana sy nodorana ny tranon’ireo 4’mi akaikin’ny Port

Toamasina – Fanadiovana : Noravana sy nodorana ny tranon’ireo 4’mi akaikin’ny Port

RAVA-TRANORaha vita ny fandravana ireo trano eva samy hafa mpivarotra zava-pisotro samy hafa sy ireo kilalaon’ny ankizy teny amoron-dranomasina, izay nambaran’ny ben’ny tanàna, ny Dr Ratsiraka Elysee Laurent fa fototry ny tsy filaminana ao Toamasina, dia nitohy tamin’ny fandravana ny tranon’ireo “4’mi” nanangana “trano” teny amoron-dranomasin’Ampasimazava ny ekipan’ny ben’ny tanana, ny alakamisy teo.

Ireo polisy monisipaly sy ireo mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina no niaraka tamin’ny ben’ny tanana sy ny Kolonely Charles, nandrava ireo trano ana fianakaviana “4’mi” am-polony teo teny amoron-dranomasina. Vao maraina dia raikitra ny fandravana ireo trano nataon’ny polisy monisipaly, nisy tamin’ireo “4’mi” no tsy nanam-po izany ka na ireo entana kely tao aminy aza tsy afaka intsony,fa nitondra ny aina nandositra. Taorian’ny fandravana ireo “trano” dia raikitra ny fandorana izany, nataon’ny mpamonjy voina teny amoron-dranomasina ihany, izay nambaran’ny ben’ny tanana fa “ny tsy hiverenan’izy ireo manorim-ponenana manimba ny endriky ny tanana intsony no anaovana izao”.

Nampisy resa-be. Ny alakamisy nitohy omaly tontolo, dia nampisy resa-be tao Toamasina ny zava-nisy indrindra tamin’ny fandorana nataon’ny mpamonjy voina ireo trano noravana teny amoron-dranomasina avy nonenan’ireo “4’mi”. Betsaka no nilaza fa ny fandravana tsy manahy, fa ilay fandorana ireo “trano” noravana kosa efa midika ho “tsy fanajana zon’olombelona” tsotra izao, izay efa hahazoan’i Madagasikara fanakianana iraisam-pirenena hatramin’izao. Ho an’ny ben’ny tanana ny Dr Ratsiraka Elysee Laurent anefa, dia “tsy maintsy atao ny toy izao noho ny tombontsoa ho an’ny daholo be ny vahoaka, na hita aza fa mafy amin’ireo niharany ny zava-nitranga”, araka ny efa nambarany tamin’ny nametrahana azy ofisialy ho ben’ny tanana, fa “raha tiana ny hanendy atody dia tsy maintsy vakiana izany”.

Hitohy ny fanadiovana ataon’ny kaominina manomboka izao, na eo anivon’ny lapan’ny tanana momba ny mpiasa izany, na ny eny anivon’ny fokontany amin’ny alàlan’ny fako sy ny rano mihandrona, ary ny eny amoron-dranomasina izay tena lasa gaboraraka tao ho ao izany noho ny fanararaotan’ny sasany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici