- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fanafihana indray , lasa ny vola tao anaty baoritra sy gony

Toamasina : Fanafihana indray , lasa ny vola tao anaty baoritra sy gony

Tranombarotra iray tao Androranga Toamasina mifanila amin’ny « cité » ny gara sy lalam-by, no nisy nanafika ny talata hariva tokony tamin’ny 06ora sy sasany tany ho any. Andian-jiolahy 05 nitrondra basy poleta no nahavanona izany, ka ny jiolahy telo amin’ny moto iray raha ny roa tamin’ny iray hafa.

Raha ny fanazavana dia efa mitaona entana teo ivelany hikatona ity tranombarotra ity, ary mbola misy olona milahatra mandoha vola teo amin’ny fandoavam-bola, izao voatafika izao. Avy hatrany dia nambanan’ireo jiolahy basy ireo mpanjifa teo am-padoavana ny vola, toraka izany koa ilay mpitazona ny fandoavam-bola sy ireo mpiasa tao anatin’ilay tranombarotra. Avy hatrany dia nalain’ireo jiolahy ny vola tao anaty gony sy baoritra tsy mbola voaisa teo amin’ilay mpaka vola; ary raha vao lasan’ireo jiolahy ny vola dia lasa koa izy ireo nandeha ka nitaingina ny moto scooter nentiny. Tao anatin’izany dia nandrahona ireto jiolahy fa “manaraha izay mahasahy”, saingy tsy nisy nanaraka ireo nahita ny zava-niseho noho ny tahotry ny voatifitra. Tonga ireo mpitandro ny filaminana taorian’ireo jiolahy lasa, ary nanao fanadiadiana sy nanara-dia izay mety nalehan’ireto andian-jiolahy ireto, saingy tsy nisy vokany izany fanarahan-dia natao izany.

Ankoatra izany dia nilaza ny prefen’i Toamasina amin’ny maha-lehiben’ny OMC, “Organe Mixte de Conception”, azy, fa tsy andeferana ity an-jiolahy lava eto Toamasina hahaverezam-bola be sy ahafatesana olona ary andratrana olona lava ity, fa tsy maintsy handraisana fepetra henjana izany. Ilay fanaraha-maso ny trano fisotroana amin’ny andro alina aloha hatramin’izao mbola mitohy amin’ny hikatonan’izy ireo amin’ny 10ora alina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici