- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina: Fanolanana ankizivavy : Olona roa nahiditra am-ponja vonjimaika…

Toamasina: Fanolanana ankizivavy : Olona roa nahiditra am-ponja vonjimaika…

Tsy mifidy amin’ny fanolanana ataony intsony ny lehilahy sy raim-pianakaviana sasany amin’izao fotoana. Tranga hita teny amin’ny fitsarana ambarantonga voalohany Toamasina ity, ka voalohany tamin’izany ny tranga natao na raim-pianakaviana 52 taona efa manana laza ratsy amin’ny fanolanana ankizivavy, izay mpiasan’ny kaominina ambonivohitry Toamasina sy mpanentana amin’ny hetsika politika samy hafa eto Toamasina, no niakatra fampanovana ny antontan-taratasy manenjika azy voapanga ho nanolana ny zana-badiny izay ankizivavy latsaka ny 10 taona. Nandà ny fanenjahana azy ny voaroiroy, fa nanao fialan-tsasatra tao aminy ilay ankizivavy, saingy tsy naharitra ela dia nalefa tany amin’ny renibeny tany Brickaville. Roa volana aty aoriana izy ireo vao mitory ahy hoy ity raim-pianakaviana ity, fa nanolana ny zafikeliny ny tenako. Tsy nihaino ny fanazavan’ilay rangahy ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, satria ilay zazavavy mihintsy no mihazona azy amin’ity raharaha ity, ka nampiditra am-ponja vonjimaika azy ary miandry ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava mety hatao ny taona ho avy ny raharaha mikasika azy. Ny faharoa kosa dia tovolahy vao 18 taona nahavita nanolana ankizivavy miisa efatra izao tao anatin’ny andro vitsy monja, ka 05 taona ny zandriny indrindra tamin’izany raha 10 ny zokiny. Tamin’izany dia ny roa tamin’ireto ankizy voaholana no zanaka olona iray dia ilay 06 taona sy ilay 10 taona, fa ilay 05 taona sy ilay 09 taona kosa zanaka olona samy hafa. Ny fanazavana no nahalalana fa samy zanaka tafika monina sy mipetraka eny Analakininina Hopitaly be ny mpanolana sy ireo ankizivavy voalohana. Tsy ny fanazavana dia tsy eto an-toerana ny miaramila rain’ilay nahavanon-dora, ny reniny kosa dia mpiandry amin’ireny fiangonana zandriny ireny ka tsy mipetraka loatra an-trano. Vokatra izany dia malalaka ilay tovolahy ity misarika tsikelikely ireo ankizikely izay hitany milalao eo antokontaniny, ka hampidiriny ao an-tranony raiamandreniny ary hanaovany ny filan-dratsiny. Ny fitondrana ireo ankizy ireo teny amin’ny hopitalin’ny miaramila no nahalalana fa misy rovitra sy maratra avokoa ireo ankizy voalohana ireo, ka nentina teny amin’ny mpitsabo ny hopitaly be ny raharaha izay namoaka taratasy mikasika ny fahavoazana nahazo ireto ankizy. Niray feo ireo raimanadrenin’ny voalohany amin’ny fitoriana ity tovolahy mpanolana ity. Taorian’ny famotoran’ny zandary dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha ny alarobia teo. Famonjana vonjy maika Ambalatavoahangy no didy navoakan’ny mpitsara misahana ny raharaha nandritra izany.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici