- Publicité SW45 -
samedi, mai 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Fikasana hanolana, vazaha iray nisy nitory

Toamasina : Fikasana hanolana, vazaha iray nisy nitory

Efa malaza amin’ny fikitikitihana amin’ny faritra saro-pady amin’ireo vehivavy mpiasany, ity teratany frantsay “Gérant” na mpitantanana trano fisakafoanana iray malaza eny amoron-dranomasina ao Toamasina. Tsy nahazaka intsony ny iray tamin’izy ireo ka voatery nitory azy teo anivon’ny fampanoavana tao Toamasina mikasika ny “fikasana hanolana” azy nataon’ity mpampiasa azy ity. Namoaka didy fampisamborana ny fampanoavana tao Toamasina, ka nisy ny fisamboran’ny polisy azy avy hatrany hiatrika fanadihadiana. Vao voasambotra anefa ity olona ity dia efa nisy sahady ny fanelanelanana amin’ny famoahana azy teo anivon’ny “fonjan’ny polisy. Voatery namoaka baiko amin’ny hamoahana azy teo anivon’izany ny tonia mpampanoa lalana tao Toamasina, saingy nanamafy kosa ny hanohizana hatramin’ny farany ny fanadiadiana rehetra mahakasika ity “fikasana hanolana ny mpiasany” ity. Ao anatin’ny famotorana lalina ny raharaha ny polisy tamin’ny faran’ny herinandro teo, ka mety anio alatsinainy no hiakatra fampanoavana ny raharaha. Ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici