- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina: filoham-pokontany sy ny lefiny : 13 volana tsy nandray ny tambin-karamany

Toamasina: filoham-pokontany sy ny lefiny : 13 volana tsy nandray ny tambin-karamany

Manomboka mimenomenona amin’ny tsy firaharahian’ny minisiteran’ny Atitany azy ireo ireo filoham-pokontany sy ny lefiny eto Toamasina ankehitriny. Feno 13 volana amin’izao volana desambra izao mantsy no tsy nandraisan’izy ireo ny tambin-karamany, izay 30.000 ariary isam-bolana ho an’ireo filoham-pokontany, ary 15.000 ariary kosa izany ho an’ireo lefiny avy. Nandritra ny fandalovan’ny minisi-panjakana misahana ny fambolena sy ny fiompiana, izay filoha nasionalin’ny antoko “Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM)” ihany koa, Atoa Rivo Rakotovao, dia nolazain’izy ireo izao olana sedrain’izy ireo izao, nefa ny fety ho avy. Nisy mantsy ny fihaonana manokana teo amin’ity filohan’ny HVM ity sy ireo mpikambana ao aminy, ka misy amin’izy ireo no filoham-pokontany, izay nitondra tenin’ ny namany. Nilaza ny hijery akaiky izao olana izao Atoa Rivo Rakotovao satria araka ny nambarany dia misy faritra sy distrika ary prefektiora tsy manana izany trosa be amin’ny filoham-pokontany sy ny lefiny izany, nefa mitovy avokoa ny mpikamban’ny biraom-pokontany manerana ny nosy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici