- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Fito mianadahy saron’ny polisy niaraka tamina basy mahery vaika

Toamasina : Fito mianadahy saron’ny polisy niaraka tamina basy mahery vaika

Nivoaka tamin’ny fahanginana noho ny mbola firosoan’ny fanadihadian’izy ireo ny polisim-pirenena eto Toamasina, taorian’ny fahatrarany ireo basy mahery vaika teo am-pelantanana olon-tsotra sarona tao anatina “Bungalow” iray tao Analakininina hopitaly be Toamasina.

Raha ny fanazavan’ny ekipan’ny polisy eto Toamasina tamin’ny alalan’ny kaomisera misahana ny kaomiseran’ny boriborintany faha-02 Tanambao II eto Toamasina, izay misahana ny raharaha, dia tafiditra ao anatin’ny fanatonan’izy ireo ny vahoaka sy ny fanamafisana ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo andrimasom-pokonolona, no nahazoana ny vaovao nahatrarana ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto ka nanaovana ny vela-pandrika tamin’ireo fikambanan-jiolahy ireo. Tratra tamin’izany tao anatin’ilay Bungalow sy tratra tany an-tranon’ireo fikambanan-jiolahy ihany koa, ny basy kalaky azo aforitra ny vodiny, balana kalaky miisa 10 izay mitondra ny laharana “…/74” avokoa, tranom-bala miisa 05 ka ny iray no nisy ireo bala 10, “Revolver” iray ary basy PA iray ihany koa niaraka tamin’ny tranom-balany tsy nisy bala. Raha ny fanazavana hatrany dia saika hanomana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ireto fikambanan-jiolahy ireto tamin’izao fahatrarana azy ireto izao, satria tamin’io fotoana nahasaronana azy ireto no nisiana andian-jiolahy nanafika rangahy iray tao Ambohijafy izay nampiana basy PA ihany koa. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy misahana ny raharaha no nahatrarana olona fito, vehivavy ny roa. Ny fanazavana ihany no nahalalana fa ny telo tamin’ireo tovolahy no tratra tao anaty Bungamow, ny roa hafa kosa nandritra ny fisavana ny tranon’izy ireo izay nahatrarana ihany ilay moto scooter manga fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana fanaony. Ireo vehivavy roa : ny voalohany tratra tao Ankirihiry izay nahasaronana ny 04 tamin’ireo tranom-bala 05 sarona, ny faharoa kosa tao Tanambao V izay mpanatitra ny basy ampiasain’ireto ekipa ireto no asany.

Hentitra anefa ny polisy eto Toamasina mikasika ireto basy mahery vaika tratran’izy ireto izao, satria hisy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ireo namany eo anivon’ny fitandroana ny filaminana mba tena hamantarana ny toby na vondrona na olombelona mety nivoahan’izy ireto. Ireo laharana sy ny marika ary ny lokon’ny bala mantsy dia ampy hanamarinana izany, izay tena takian’ny vahoaka miharitra ny mafy amin’ny hafitsok’ ireto fikambanan-jiolahy ireto ny tena hivoahan’ny marina, sy hanasazian’ny fitsarana izay tena tompo-marika amin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici