- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina - fonjan’Ambalatavoahangy: Gadra mifatotra rojo vy tafatsoaka, mbola tsy hita...

Toamasina – fonjan’Ambalatavoahangy: Gadra mifatotra rojo vy tafatsoaka, mbola tsy hita hatramin’izao

Nitrangana voafonja tafatsoaka ny fonja, nefa nofatorana rojovy teo anivon’ny fonja ben’i Toamasiana Ambalatavoahangy. Tsy eto Toamasina moa ny lehiben’ny fonja tompon-toerana fa nitondra ireo ekipan’ny talem-paritry ny fonja niatrika ny lalaom-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana, ASOIMI, any Mahajanga; ka ny lefiny no misolo toerana azy misahana ny fonja.

Raha ny fanazavana nataon’ity mpisolo toerana ity, Atoa Razafindramora Marinot, dia ny alarobia 24 aogositra raha avy naterina nitsabo tena avy tany amin’ny hopitalibe  Randrianasolo Jojo Jean Ernest, dia efa nitsoaka ny mpiambina azy. Raha nokarohina izy tamin’izay dia tratra ihany ka teo no nahavoasazy azy sady nofatorana rojovy tao anatin’ny efitra fanasazian’ny fonjaben’i Toamasina. Ny sabotsy 27 aogositra nifoha ny alahady teo anefa tokony tamin’ny 1ora maraina, dia tsikaritry ny mpiambina nifandimby fa tsy tao amin’ny efitra nanasaziana azy niaraka tamin’ny rojovy namatorana azy  Randrianasolo Jojo Jean Ernest. Izay mbola karohina hatramin’izao ny misy azy. Resaka halatra omby ny taona 2013 no nidirany fonja ny 30 martsa, taorian’ny fiakarany fitsarana ady heloka manokana momba ny halatra omby ny fitsarana ambony Toamasina, dia voasazin’ny fitsarana misazy enin-taona asa an-terivozona an-tranomaizina ny tenany. Isany nahazo ilay fampihenan-tsazy ny filoha ny voalohan’ny taona teo anefa ity gadra nandositra ity, ka herintaona sisa dia hifarana ny saziny.

Efa nametraka fitoriana eo anivon’ny polisy ny fandraharahana ny fonja omaly, ka isany voaroiroy ho mpiray tsikombakomba aminy ny vadiny izay nampian-trano azy taorian’izao fitsoahany ny fonja sy nanamora ny fitsoahany, efa nanaovana fanadiadiana teo anivon’ny fandraharaha ny fonja ity ramatoa ity.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici