- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Gardien avy niasa maty voatsatok’antsy

Toamasina : Gardien avy niasa maty voatsatok’antsy

Niasa faran’ny taon aizy ary nikasa ny hamonjy fodiana no niharan’ny heloka bevava teo Andranomadio-Toamasina. Voatsatok’antsy ary namoy ny ainy vokatr’izany. Manodidina ny 45 taona ilay rangahy ary voaendaka ny entana teny aminy. Tsy izy ihany no hita faty vao maraina tao an-toerana. Rangahy iray hafa izay tokony ho 50 taona no nitsiatra teo amoron-dàlana vao marainan’ny omaly. Nisy tsatok’antsy koa hita tamin’ny vatany. Hatreto dia azo eritreretina ho voaendaka koa ity rangahy izay namoy ny ainy ity. Nafana arak’izany ny tsy fandriam-pahalemana tao Toamasina tamin’iny vanin’andron’ny fety iny. Ny tany anelakelan-trano no tena nanjaka ny mpamono olona raha mba nilamindamina ny tao an-tampon-tanàna. Niandry ireo izay hody vao maraina izany ireo jiolahy mpanendaka ary ny tena nampalahelo dia tsy nisalasala ny namono olona izy ireo. Mifanjevo isan-kerinandro ny jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina. Efa betsaka ihany ny voasambotra ary nisy aza ny lavo nandritr’izany saingy mbola maro ihany ny sahy miroboka amin’ny asaratsy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici