Mirongatra tanteraka ny halatra lakolosy eto amintsika.Taorian’Ambohibary Sambaina sy Marolambo dia Toamasina indray izao no lasibatr’ireo mpangalatra. Ireo fiangonana katolika no tena andraisana fitarainana betsaka mahakasika izany. Ankoatra ny halatra lakolosy dia miroborobo ihany koa ny bizina “vilany” sy “vola” ary tavoahangy taloha na eto an-drenivohitra izany na any amin’ny faritra. Fantatra fa manodidina ny 7 hetsy na 8 hetsy ariary raha ny farany ambany amin’ny kilaon’ny lakolosy ary mety mahatratra hatrany amin’ny 40.000.000 Ariary ny vilany iray rehefa tena avo ny kalitaony. Efa nisy tamin’ireo lakolosy no tafaverina ary efa nisy tamin’ireo mpangalatra no tratra, izay matetika dia olona mpivavaka ao amin’ilay fiangonana voakasika ihany. Manoloana izany rehetra izany, nanamafy ny fiambenana ny fiangonana ny ankamaroany ao Toamasina, toy ny any Fénérive-Est izay nampàka polisy manokana mihitsy hisahana ny fanaraha-maso azy ireny. Mahakasika ny bizina vilany sy tavoahangy ary vola taloha indray kosa dia marihin’ireo mpitady azy fa ireo izay mahafeno ny fepetra no tena ilain’izy ireo. Anisan’ny fepetra takiany amin’izany ny fisian’ny marika “RF” (Republique Française) na ny “kintana telo” izay manamarina fa mamono “réseau”-na finday tokoa ilay vilany na ilay tavoahangy na ilay vola. Rehefa niroso tamin’ny fanadihadiana mahakasika an’ity bizina iray ity ny mpanao gazety dia fantatra fa natao hitaterana ireo harena an-kibon’ny tany mineraly toy ny “mercure” ohatra izy ireny. Tsy azo taterina amin’ny fitaovana tsotra ireo harena ireo fa mila fitaovana , izany hoe fitaovana mitazona “radiation”. Ankoatra ny lakolosy, dia mbola mandalo andrana ireo vilany, tavoahangy sy vola mba hanaporofoana fa tena mifanaraka amin’izay fepetra izay. Apetraka ao anatin’ilay vilany na eo ambanin’ilay tavohangy na vola ny finday iray ka raha toa maty ny “réseau”-ny dia mitazona “radiation” tsara izay ilay fitaovana. Noho izay antony izay no mahatonga an’ireny lakolosim-piangonana na ireny vilany sy tavoahangy taloha ireny misy mahasahy mividy lafo dia lafo tokoa.
Niony H.