Ny 2 desambra teo tamin’ny 11 ora sy sasany alina, nirehitra ny ilan’ny tsena manakaiky ny WC ao amin’ny Bazary kely Toamasina. Fivarotana hatrany amin’ny 40 no indray levon’ny afo. Tombanana ho manodidina ny 40 tapitrisa ariary ny fahavoazana tamin’izany. Tonga ara-potoana ny mpamono afo nefa naharitra elaela ihany vao voafehy izany. Efa tamin’ny 1 ora sy fahefany maraina vao azo antoka ny tsy hitarany intsony. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity fahamaizana ity. Hatramin’izao, hoy ny vaovao, tsy mbola fantatra marina ny nahatonga ny firehetana sy niandohan’ny afo. Misy fanadihadiana misokatra ka ny polisy avy ao amin’ny “commissariat central” Toamasaina no misahana izany. Vao andro maromaro lasa izay no nisy hain-trano nahapotika fivarotan-kazo tany Toamasina. Misimisy ihany ny fatiatoka tamin’izany. Izao indray dia nirehitra ny ampahany tamin’ny Bazary kely.
r.s.