- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina II : Ankizy miisa 215 vita vakisiny tao Andodabe

Toamasina II : Ankizy miisa 215 vita vakisiny tao Andodabe

Fokontany tao Ambalatenina somary avaratra ny kaominina Andodabe no nanaovana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanaovam-bakisiny ny “polio” na lefakozatra ho an’ny faritra atsinanana; nitarika izany ny governora ny faritra Rafidison Richard Théodore sy ny ekipan’ny fahasalamana atsinanana. Nanamafy tamin’ny laha-teniny nataony ireo tompon’andraikitra, fa ilaina ny fitondran’ny zanantsika entina atao vakisiny fa lasa vesatra ho an’ny fianakaviana raha tratra ny lefakozatra ny zaza tsy vita izany. Vokatry ny fanentanana dia amin’ny ankapobeny 100 isan-jato ireo fianakaviana nitondra ny zanany natao vakisiny, izany hoe 215 amin’ny 215 no vita izany tao Andodabe.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici