Raha mbola ankamatatra ireo andian-jiolahy nanafika tranombarotra mpamongady tao Mahavelona Foulpointe, dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana hafa ihany koa ny tao amin’ny kaominina tsy lavitra azy, ny kaominina Andodabe, ka lefitry ny ben’ny tanàna no notafihan’izy ireo tamin’izany.
Ny alin’ny talata nifoha ny alarobia teo no nitrangan’izany, izay kaominina 21km miala ny kaominin’i Mahavelona Foulpointe Toamasina II. Tokony ho tamin’ny 9 ora no nitrangany ka andian-jiolahy telo nitondra basy, tsy voafaritra ihany koa na kalaky na PA. Tsy nisaron-tava ireto andian-jiolahy ireto. Raha vao niditra ny tranon’ilay lefitry ny ben’ny tanana izy ireo dia nitifitra avy hatrany ka nahavoa ny sorony havanana. Taorian’izay dia notakian’izy ireo ny vola, izay tsy fantatra mazava ny sandany lasan’ireo jiolahy. Taorian’izay anefa dia nodoran’ireto andian-jiolahy ireto ny trano fonenany ary lasa nitsoaka tsy amin’ahiahy izy telo lahy nitondra ny vola azon’izy ireo tamin’izany.
Valifaty? Nandritra ny zava-niseho dia samy nirifatra namonjy ny aina tany anaty ala avokoa ireo mponina manodidina raha vao nahare ilay poa-basy tao amin’ny lefitry ny ben’ny tanàna ity. Ny fitsoahan’ireto andian-jiolahy avy nandoro ny trano no nahasahian’ireo vatan-dehilahy nivoaka ny trano. Tsy nisy azo natao intsony fa may kila forehitra ilay trano, saingy avotra ihany ny lefitry ny ben’ny tanàna ary efa tsaboina eo anivon’ny hopitaly be ankehitriny. Manahy ny fisian’ny valifaty tamin’izao tranga izao ny mponina an-toerana, satria roa taona talohan’izao dia ity lefitry ny ben’ny tanàna ity no nijoro ho vavolombelona tamina fanafihana nitranga tany an-toerana; ka nahasamborana jiolahy roa tamin’izay.
Ankoatra izany, dia trangana fanafihana hafa ihany koa no niseho tao an-tampon-tananan’i Foulpointe ny alatsinainy vao mangiran-dratsy teo. Mpivarotra iray no lasibatra izay tsy fantatra ihany koa ny sandan’ny vola very. Tao anatin’ireo tranga rehetra ireo dia tsy nisy hetsika manokana nataon’ny lehiben’ny zandary tao Mahavelona Foulpointe misahana ny tanàna, na efa niantso azy ireo aza ny vahoaka niharany.
Malala Didier