- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina ii : Maty novonoin-dramatoa ny vadiny fa saro-piaro aminy

Toamasina ii : Maty novonoin-dramatoa ny vadiny fa saro-piaro aminy

Raha hatramin’izay dia rangahy, noho ny fahasarotam-piarony, no mamono an-dranomatoa vadiny. Nivadika indray ny rasa tamin’ity raharaha nitranga ny 10 may ny taona lasa, tao amin’ny fokontany Ambodiraotra Andratanaomby, distrikan’i Toamasina II, ity, satria ramatoa indray no nahavita namono am-badiny noho ity vadiny saro-piaro loatra taminy. Raha ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava tsotra omaly dia midaroka ity ramatoa vadiny, Norive, 21 taona, foana rangahy, Toto Michel, isaky mahita hirika kely amin’ny hasarotam-piarony. « Leo Aho », hoy ilay ramatoa , amin’ny mahazo azy ka novelesiny hazo ny hatoky ny vadiny. Tsy nihevitra ity vadiny ho faty izy fa torana fotsiny, saingy ela ny ela tsy nifoha intsony rangahy. Teo ity ramatoa vao nikoropaka niantso fokonolona, ka ireto fokonolona indray avy eo no nitondra azy teny amin’ny zandary. 5 taona asa an-terivozona am-ponja no didim-pitsarana navoakan’ny filohan’ny fitsarana ady heloka ho azy nandritra ity fitsarana omaly teto Toamasina ity. Ankoatra izay dia rangahy antsoina hoe Eugene indray, tao Sahavary Vavatenina, ny 14 febroary, ny taona lasa ihany, no nahavita namono indray an-dramatoa vadiny noho ny adin’ny mpivady ao an-tokantranon’izy ireo ihany. Niaiky ny heloka vitany moa rangahy nandritra ny fitsarana ny raharaha, tamin’ny daroka nahafy am-badiny ity. Sazy 10 tana asa an-terivozona, 5 taona tsy mandia faritany, no sazy nomen’ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava azy nandritra ny fitsarana ny raharaha omaly…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici