
Fikasana hamono olona no nataon’ity tovolahy iray antsoina hoe Razafindranaivo; izay 16 taona ity, efa tetika nomaniny hatry ny ela izany saingy nandritra ity fakana kitay tany anaty ala niarahan’ izy sy ity ramatoa iray antsoina hoe Yvonne 42 taona ity no nanararaotany nanaovana azy, ny alakamisy teo tokony tamin’ny 7ora maraina. Toe-javatra niseho tao amin’ny vohitra antsoina hoe Ambodimanga Be, fokontany ao Sahavongo Toamasina II ity fikasana hamono olona nataon’ity tovolahy vao herotrerony ity. Tsy nisalasala ity tovolahy ity namira antsy maromaro an’ity ramatoa ity tamin’ny lohany sy ny vatany; izay niisa fito be izao izany raha nisaina, saingy noho ny hafanam-pon’ity ramatoa ity nanavotra ny ainy, sy ny fanoherana ny vono nataon’ity tovolahy ity azy. Tonga tao an-tanàna ihany izy ary ireo fokonolona no nitondra azy tamin’ny mpitsabo ka avy eo nentina teto Toamasina niatrika ny fandidiana azy tamin’ny fanjairana ireo ratra maromaro tamin’ny lohany sy ny vatany noho ny antsy maranitra namiran’ity tovolahy azy tany anaty ala ity. Raha ny fanazavan’ Yvonne raha nanontanian’ny mpanao gazety ny nanjo azy izy dia nambarany, fa lonilon’ity tovolahy ity aminy no nahatonga azy nikasa ny hamono azy toy izao, satria talohan’izao dia in-2 tratra ambodiomby namaky ny tranon’ity ramatoa ity ilay tovolahy, saingy vitan’ny raharaham-piavanana hatrany izany. Ny fanazavan’ity ramatoa ity ihany no nahalalana, fa naharitra teo amin’ny 30min teo izy sy ity tovolahy ity no nifampitolona sy niady ka afaka nandositra ihany ity ramatoa ity ary ny fahitan’ity tovolahy ity ireo olona sendra nandalo no niverenany lalana noho ny tahotra. Gaga hatramin’ireo mpitsabo teto Toamasina nahita ny fahatanjahan’ity ramatoa be ity, satria raha ny ratra nahazo azy indrindra ilay fira antsy lalina teo amin’ny hatony dia efa tsy tokony ho velona ity ramatoa ity. Efa tsy misy ahiana kosa ny fahasalamany amin’izao raha ny fanazavan’ny mpitsabo sy nohamafisin’ny fianakaviany. Ankoatra izay tsy fantatra na noho ny nenina na noho ny tahotra, fa ny alakamisy antoandro io ihany dia nitolo-batana teo anoloan’ny polisy kaominaly tao Sahambala Toamasina II i Bary 16 taona, ka ireto polisy kaominaly ireto indray no nanatitra azy teny amin’ny borigadin’ny zandary hiatrika ny fakana am-bavany azy.
Malala Didier