- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina II : Zanaka kômitim-piangonana, tratra nangalatra lakolosy

Toamasina II : Zanaka kômitim-piangonana, tratra nangalatra lakolosy

Fito volana aty aorianan’ny nahavery ny lakolosim-piangonana katolika tao amin’ny kaominin’Amporoforo Toamasina II, dia tratra ny alatsinainy teo ireo nangalatra izany, izay nahitana olona efatra ka zanaky ny filohan’ny komitim-piangonana vavy ihany ny iray tamin’izy ireo. Ny volana jona ny taona nivalona no very tao an-tranon’ilay filohan’ny komitim-piangonana ny lakolosim-piangonana katolika ity. Taorian’ny firongatry ny halatra lakolosy mitondra ny marika “RF” mantsy dia nandray fepetra ny mpino rehetra fa amin’ny andavanandro dia halana izany ary apetraka kosa rehefa tonga ny alahady. Teo anefa no nitsiry ny hevitra tamin’ity zanaka vavin’ny filoham-piangonana niaraka tamin’ireo namany, nangalatra izany. Izao anefa tratra, fito volana aty aoriana, teo am-piandrasana mpividy izay voalaza fa eto Toamasina renivohitra ihany. Mitohy ny fanadihadiana ny raharaha. Efa saika nisy nangalatra ihany koa ny lakolosim-piangonana katolika tao amin’ity kaominina iray tao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, ny taona nivalona iny. Notambazana’ireto andian’olona vola 160 tapitrisa ariary ny filoham-piangonana mitahiry izany ho fiarovana azy amin’ny halatra, saingy tsy nanaiky lembenana mihitsy na efa nidina fonjakelin’ny zandary ary nitondrana solombavambahoaka nampitahorina aza. Raha ny vaovao farany, ho fiarovana ity fananam-piangonana ity, dia napetraka eo anivon’ny biraon’ny eveka ao Fenerivo atsinanana ity lakolosy ity ankehitriny. Miteraka lonilonim-piarahamonina ao Soanierana Ivongo ny raharaha ankehitriny, saingy miaina ao anatin’ny alahady tsy misy lakolosy ny mpino amin’ity kaominina iray ity. Ho azy efatra mianadahy tratra kosa dia miandry fitsarana am-ponja izy ireo taoriana’ny fiakaran’izy ireo fitsarana omaly…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici