Taorian’ny fanamafisan’ny polisy eto Toamasina ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona amin’ireo fokontany voasokajy ho faritra “mena” eto Toamasina, izay misy mihitsy fifanatonan’izy ireo eny anivon’ny fokontany ho fananganana izany sy fanamafisam-piaraha-miasa, dia misy hatrany ny vokatra azon’ny polisy eto Toamasina renivohitra amin’ireo andian-jiolahy miteraka tsy filaminam-bahoaka. Ny herinandro nivalona iny, dia nisy andian-jiolahy fito saron’izy ireo mbola niaraka tamina basy “Revolver” azo ampiasaina ireo karazana bala “22 Long Rifles (L.R)”, izay mbola nahatrarana bala 5 mikasika izany koa niaraka tamin’izany. Raha ny fanazavana, dia efa tafiditra tao anatin’ny andian-jiolahy karohin’ny polisy eto Toamasina ny iray tratra tamin’izy ireo antsoina hoe: “Jojo”.Izy ity izay fantatra fa isan’ny nitifitra ka nahafaty ilay tera-tany karana nandeha posy niaraka tamin’ny mpanampy azy ny volana desambra ny taona lasa tao Ambolomadinika, izay nampiasany ity bala “22 L.R” ity. Ny zoma tolakandro teo no niakatra fitsarana ny raharaha, ka samy miandry fitsarana azy am-ponja izy fito lahy. Dimy maty voatifitra. Nanao tatitra ny telo volan’ny taona 2017 koa anefa ireto polisim-pirenena eto Toamasina. Nambaran’ny kaomisera Rafaliarivo Jules fa nahatratra 5 ireo jiolahy lavon’izy ireo, nisy 12 avy ny mpanao fanafihana mitam-piadiana sy fikambanan-jiolahy, ary 26 kosa ireo andian-jiolahy mpanao heloka samihafa. Ho an’ny Kaomisera Razafindahy Manitra kosa dia Ankirihiry bazary may, Ambolomadinika, Tanambao V ary Tanambao Verrerie no tena faritra “mena” eto Toamasina ankehitriny; tao anatin’izay dia 14 ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra, basy roa sy antsy 21 fampiasan’ireo andian-jiolahy sarona, ary 63 kosa ireo mpanao heloka hafa tratra. Ankoatra izay, dia nambaran’ireto polisy eto Toamasina, fa isan’ny tena olana goavana ho an’ny filaminam-bahoaka ny fitobahan’ny toaka gasy sy ny firongatry ny famarotana rongony etsy sy eroa, izay tanora tsy ampy taona no mpidoroka izany ankehitriny. Tamin’ny ity taona ity, dia nahatratra toaka gasy 200 litatra sy rongony 750g izy ireo, saingy mbola mitohy ny fandringanana izany…
Malala Didier