Hiaraha-mahalala ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao. Manao ny ainy tsy ho zavatra anefa ireo mpitandro filaminana entina hiadiana amin’ireo tontakely. Porofon’izay ny vokatra azon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo. Raha ny angom-baovao azo mantsy dia fantatra fa jiolahy miisa roa indray no tsy afa-manao intsony asa ratsiny rehefa nifanehatra tamin’ireo pôlisy. Mpamaky trano telo hafa ihany koa no azo sambo-belona tao anatin’izay.
Ho an’iretsy jiolahy voalohany lasa any amin’ny varo-tsy mifody dia fantatra fa teo am-panendahana cyclo-pousse iray teo amin’ny faritra Bazary May Ankizirihy Toamasina mihitsy izy ireo, ny andron’ny sabotsy teo no nifanehatra tamin’ny pôlisy. Basy sy antsy no nentin’izy ireo tamin’izay. Raikitra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana ka io niafara tamin’ny fahafatesan’ireo olon-dratsy ireo. Ny amin’ireo mpamaky trano indray dia miisa telo izy ireo no voasambotra ka vehivavy ny iray tamin’izay. Voapaingotra tao Ankirihiry ny iray ka izy no nanoro ny nisy ireo namany sy nanafenan’izy ireo, ireo entana halatra.
Mbola mitohy hatrany moa ny fanaovana hazalambo ireo olon-dratsy any an-toerana mba hamerenana indray ny fandriampahalemana any an-toerana, ka hiantsoan’ireo mpitandro filaminana ireo olona mety manam-baovao mahakasika azy ireny.
m.L