Tra-tehaky ny polisy tao Tanambao I, Mangarano indray i Eric, Théodore sy Gildo Richard, jiolahy malaza amin’ny famakiana trano sy fanendahana any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny. Marihina fa ireto olon-dratsy ireto dia anisan’ny mpikambana ao anatin’ny “bande des 15” izay tena mampikolay ny mponina mihitsy. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny antsy lava sy ny karazana fanalahidy, fitaovana fitondran’izy ireo rehefa manao fanafihana. Tsy miala saron-tava ihany koa ireto olon-dratsy ireto. Noho ny ezaky ny polisy anefa dia izao voasambotra izao ny telo. Manoloana izany, nanambara ny Kaomisera Rakotovao Jean Christian, lehiben’ny polisy ao Tanambao I, fa tsy maintsy tohizina ny ezaka fikarohana ireo jiolahy 12 ambiny. Manentana izy ireo ny amin’ny hanomezan’izay tsara sitra-po vaovao mari-pototra eny anivon’ny biraon’ny polisy ahafahana miroso amin’ny fisamborana an’ireo olon-dratsy sy hamongorana ny asa tsy fandriam-pahalemana any an-toerana.
Niony H.