Nampiantso mpanao gazety ny Jirama Toamasina nentin’izy ireo nanazava ny zava-misy iainan’izy ireo ankehitriny, mikasika ny fiverenan’ny halatra kaonteran-jiro indray. Raha efa somary tony izany tao ho ao taorian’ny hetsika fampahafantarana nataon’ny Jirama ho an’ny mpanjifany.
Raha ny fanazavan’Atoa Koto Roger izay mpisolo toeran’ny tale provinsialin’ny Jirama Toamasina, dia misy tamban-jotra na mpangalatra kaonteran’ny jirama indray izao. Maharaka tsara ny zava-misy eo anivon’ny jirama sy ireo olona miandry kaontera efa nahavita “devis” avy amin’ny Jirama ihany koa ireto andian’olona anaty tamban-jotra ireto, ka hain’izy ireo tsara ny mandresy lahatra azy ireny. Tranga iray araka ny nambaran’ny Jirama ihany no niseho tao Mangarano ny sabotsy teo, raha tonga tamin’ity tokantrano iray eo am-piandrasana ny kaonteran-jirony amin’ny Jirama ireto tamban-jotra ireto.
Namidin’izy ireo 01 tapitrisa ariary ity kaonteran-jiro halatra, ka raikitra ny ady varotra ka naloa aloha ny 08 hetsy ariary ho famandriana ilay kaontera, ary ny fametahana azy dia miandry ny ambiny 02 hetsy ariary. Teo anefa no mailo ireto fianakaviana ireto ka nanontany ny Jirama, teo vao fantatra fa voafitaka izy ireo ka nanomboka teo ny velam-pandrika natao ho an’ireo tamban-jotra ireto. Raha tonga haka ny ambim-bola anefa ireto “jiolahy” dia ny iray ihany no tonga ka nosamborim-potsiny tsy afa-nitsoaka. Teo no nahalalana fa mitonona ho hiraky ny Jirama avy ao Antananarivo izy, ary manana ny famatarana manokana mikasika izany; raha nohamarinina anefa ilay izy dia hosoka tanteraka. Efa miandry ny fitsarana azy ao am-ponja ireo roa lahy efa tratra izao, raha mbola karohina ao Toamasina kosa ireo voalaza fa roa lahy mpiara-mangalatra sy misoloky aminy, izay milaza ho mpiasan’ny Jirama.
Malala Didier