Tsy nisy azon’ny FIP Toamasina natao afa-tsy ny nitifitra an’i Arnaud raha nitsoaka izy nandritra ny fitondrana azy hisambotra sy hikaroka ny namany, ny andro rahateo maizim-bolana, ny toerana ihany kizokizo. Nohararaotin’Iingahy Arnaud izany nitsoahana, nefa sendra ny tsy nampoiziny izy.
Ny fanazavana azo izay neken’Ingahy Arnaud ihany koa nandritra ny fakana am-bavany azy, dia sady mandrava izy no mamono izay olona miezaka ny manohitra azy ary manolana ireo vehivavy hitany fa tsara tarehy amin’ireo toerana anaovany ny asan-jiolahy. Raha ny fanazavana dia olona efatra no efa matiny nandritra ny fanaovany asan-jiolahy, isan’izany ilay polisy tao Mangarano ny taona 2013, ity miaramila mpiambina mpivarotra moto tao Tanambao V, ilay teratany frantsay tao Mangarano ihany koa, ary ity rangahy iray tao Mangarivotra atsimo. Isan’ny efa niharan’ny fanolanana nataony ihany koa ity mpiasana haino aman-jery iray teto Toamasina, izay sady voaendaka ihany koa nandritra izany. Na teo aza ny fahafatesan’i Arnaud, mba nahafahana nisambotra ny namany dia eo am-pikarohana ity namany ity ny FIP izao, satria voalaza fa isan’ny mpihazona ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo ity namany ity.
Mitohy hatrany ny fametrahana filaminam-bahoaka, hoy ny FIP. Tsy miova ny fomba fiasa indrindra miditra amin’ny fanomanan’ny olona ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona isika izao, hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Nisy rahateo ny baiko nomen’ny talen’ny filaminam-bahoaka Toamasina ho an’ireo kaomiseran’i Toamasina nivory teto Toamasina, amin’ny fihazonana hatrany ny filaminam-bahoaka.
Malala Didier