- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Maty voatifitra kalach i Mossazal, karàna 22 taona

Toamasina : Maty voatifitra kalach i Mossazal, karàna 22 taona

Taorian’ilay karàna vavy antsoina hoe « Sabina » nisy nitifitra raha niala tuc-tuc tao amin’ny « Cité Nouvelle Ville » ny herinandro nivalona teo, raha naka ny poketrany tamin’ny vola 20.000 ariary ireto jiolahy roa nitondra scooter ; dia tranga hafa indray no niseho tao Tanambao V tokony tamin’ny 6 ora sy sasany, nandritra ny fahatapahan-jiro (delestazy) teto Toamasina omaly fiarafan’ny tolakandro. Karàna lahy antsoina hoe Mossazal, 22 taona, fantatry ny olona amin’ilay hoe zanaky be matelat  no nisy nitifitra ka maty tamin’ny balana kalaky 6 nahavoa azy. Raha ny fanazavana azo hatreto aloha dia nitaingina moto niaraka tamin’ity sakosy nisy vola haterina amin’ny magazay iray, azy ireo ihany, izy nandritra izany. Tsy fantatra mazava anefa hoe ohatrinona ity vola ity, afa-tsy ny hoe misimisy ihany. Voalaza fa efa narahan’ireto andian-jiolahy roa nitondra scooter ity karàna lahy maty voatifitra ity, ka teo akaikin’ny tobim-piantsonan’ny fitaterana Vatsy Tanambao V vao nanao ny fanafihana azy ireo andian-jiolahy ireto. Ny fanazavan’ny olona manodidina teo sy ireo mpanjifan’ny Vatsy dia tena nipoapoaka ny feom-basy kalaky tamin’ny fanafihana azy. Vao nidaraboka anefa izy dia ilay sakosy teny aminy no nalain’ireo andian-jiolahy ary lasa izy ireo nitsoaka. Noezahina nentina teo amin’ny hopitaly be ihany i Mossazal, saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny fahamaroan’ny bala nahavoa azy. Manahy ireo teratany karàna eto Toamasina izao, sao misy “operation karàna” amin’izao zava-misy izao, satria vao niandoha ny taona dia efa maro no nitranga tamin’izy ireo. Teo ny fakana an-keriny an’i Saifoudine izay tsy afaka raha tsy nandoa vola tamina miliara ariary, teo ilay karàna vavy nisy nitifitra farany teo, ary ity tranga niseho tao Tanambao V omaly hariva be nandritra ny fahatapahan-jiro ity…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici