Isan-kerinandro, tato ho ato dia saika ahitana sy ahenoana trangam-panafihana mitam-piadiana hatrany eto Toamasina, nefa « opération » etsy, hetsika fitandroana filaminam-bahoaka eroa, no misy eto Toamasina tato ho ato izao ; izay anaovan’ireto andian-jiolahy ireto fanamby mihitsy izy ireo ao anatin’izany. Tsy milavo lefeno anefa ny mpitandro filaminana ao anatin’izany, fa manao ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany hatrany. Ho an’ny polisim-pirenena nandritra ny fikarohana ireo jiolahy mpanao ity fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina ity, dia voasambotra izy ireo tao Andranomadio amin’ny lalana antsoin’ny olona hoe « villa saphir » iny ity miaramila teo aloha antsoina hoe « Faby », izay tafiditra ao anatin’ny lisitra maintin’ny polisy momba ity asan-jiolahy sy fanaovana fikambanan-jiolahy eto Toamasina ity. Noho ireo fanangonam-baovao ataon’izy ireo sy fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ihany koa. Raha ny angom-baovao natao dia ity miaramila teo aloha izay voaroaka teo anivon’ny toby Betongolo noho ny halatra basy, ny taona 2008 ity no isan’ireo telo lahy nitifitra ilay mpandraharaha hividy entana avy any Mahavelona Foulpointe teo Tanambao V lalana mihazo ny fiangonana fo masin’i Jesoa. Nisy nijoro ho vavolombelona teo anivon’ny polisy mihitsy izany, niaraka tamin’ireo porofo nentiny. Noho io angom-baovao io ihany koa no nahalalana fa moto scooter manga no fitondrany raha manao fikarohana ireo olona sy toerana hanaovany ny asan-jiolahy ity miaramila teo aloha ity, fa rehefa tonga ny fotoana dia miova ho moto scooter mainty. Fanaovana fikambanan-jiolahy, fihazonana basy tsy ara-dalana, fanaovana asan-jiolahy mitam-basy no heloka anenjehana azy ankehitriny ; izay tsy nisalasala ny teo anivon’ny fampanoavana namoaka didy mihazona azy am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy omaly.
Malala Didier