- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Misy karàna hafa indray mahazo fandrahonana hisy haka an-keriny izao

Toamasina : Misy karàna hafa indray mahazo fandrahonana hisy haka an-keriny izao

Nahalalana zavatra maro ny fihaonana naharitra adiny roa teo amin’ny fianakaviam-ben’ny karàna Toamasina, sy ireo mpisahana ny fitandroana ny filaminana notarihan’ny prefen’i Toamasina, nahitana ny tonia mpampanoa lalàna ambony, ny tonia mpampanoa lalànan’ny Repoblika, ny komadan’ny fari-piadidian’ny zandarimamiram-pirenena Toamasina, ny talem-paritry ny polisy Toamasina, ary ireo kolonely roa nisolo tena ny komandan’ny fari-piadidian’ny faritra miaramila faha-3 Toamasina. Raha ny fanazavana dia efa niandry ity tovolahy teratany karàna ity teo Tanambao V ireo andian-jiolahy roa, izay nitondra PA, izay nampiasan’izy ireo ny “bala na polisy” izay voamarin’ny ambina bala niisa 6 hita teo an-toerana mitondra ny laharana “A-38” avokoa. Araka ny fanamarinana nataon’ireo polisy teto Toamasina anefa dia tsy nivoaka tamin’ny olombelon’izy ireo ireto ambina bala ireto, ka voatery nalefa eo anivon’ny sampan-draharaha manokana mpandinika izany ao Antananarivo hanaovana fanamarinana azy sy ilay toby mety nivoahany. Fantatra ihany koa fa tsy misy ny fiaraha-miasa sy fanomezam-baovao ataon’ireo fianakavin’ny niharam-boina tamin’ireo olana amin’ny asan-jiolahy mahazo ireo fianakaviana karàna hatreto. Nanomboka tamin’ilay fakana an-keriny an’i Saifoudine, ny fitifirana an-dRtoa Sabina, ary ity nitranga tao Tanambao V farany teo nanjo an’i Mouffadal, fa tsy naharay fitoriana na fitarainana mikasika ireo raharaha ireo na iray aza ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana. Nandritra ity fihaonana adiny roa tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana ity ihany koa no nahalalana tamin’ireo mpitandro ny filaminana, fa misy fianakaviana karàna hafa indray izao mahazo fandrahonana hisy haka an-keriny. Taorian’ny adiny roa ny fihaonana dia niara-nandray fepetra ny mpiara-mivory, entina hamerenana an’i Toamasina ho tena kapitaly ekonomika fa tsy izao kapitalin’ny fakana an-keriny sy asan-jiolahy izao. Nifanaiky ny rehetra fa hifanampy amin’ny fanomezam-baovao, ka hisy komity hitsangana hanamorana ny fiaraha-miasa amin’ny roa tonta, ary hisy ny fahatongavan’ireo polisy misahana ny hery vonjy taitra haingam-pandeha (UIR) avy ao Antananarivo hanampy ireo namany fotoana voafetra eto Toamasina…

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici